Fiaraha-monina

Amoronakona: ho avy ny “navette”

Mampimenomenona ny olom-pirenena sasany amin’ny famindrana ny fitaterana eny Amoronakona ny halaviran’ny toerana raha miala any amin’ny toerana hiangana, Anta­nanarivo sy ny manodidina. Nipaka any amin’ny fanjakana izany ka nitady vahaolana hanamorana ny fivezivezena mankeny an-toerana ny tomponandraikitra. Hisy ato ho ato ny “navette” manokana hitaterana olona makeny amin’ny toby […]

Akany Ambohimanantenasoa: nanohana ireo ankizy marefo ny Fanjiry

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Vohipeno, afakomaly, ny fanombohana ny asa sosialy ataon’ny fikambanana Fanjiry. Tao amin’ny Kianjan’i Tsiafaranolo, kaominina ambanivohitr’Andemaka, 25 km miala ny tanànan’i Vo­hipeno, no nosafidin’ity fikambanana tarihin’ny filoha mpanorina, Randrianirina Eli­sa, ity hanaovana ny hetsika fano­kafana ny asa ho an’ireo va­hoaka sahirana. Hita ao ana­tin’io fikambanana […]

Fiahiana ara-tsakafo: hanome vary 7,9 miliara Ar i Japon

Mifanohana ny firenena japoney sy i Madagasikara ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiahiana ara-tsakafo. Nanao sonia fifanarahana mifandraika amin’ny Fandaharanasa tohana ara-tsakafo ho an’ny taona 2026 ny masoivohon’i Japon eto amintsika, Tojima, sy ny mi­nisitry ny Raharaham-bahiny, Alice N’diaye, ary ny minisitry ny Fambolena sy ny faha­vitantena ara-tsakafo, Gaëtan Ramindo, […]

Hanampy ny eny ifotony: Peace corps am-polony tonga eto Madagasikara

Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina am-polony indray no tonga eto Madagasikara hanampy ireo efa am-perinasa amin’ny sehatra marolafy. Fanabeazana sy fahasalamana ary fambolena no hiseharan’izy ireo, any amin’ny toerana mangataka tohana ho amin’izany sy mila ny traikefan’izy ireo. Hiofana mandritra ny 10 herinandro, any Mantasoa, hiatrehany ny asa miandry azy ireo vahiny. […]

« Congrès dentaire de l’Océan indien » : ambohipihaonan’ireo mpitsabo nify sy ativava

Hotanterahina eto Mada­ga­sikara, ny 30 sy 31 oktobra, eny amin’ny CCI Ivato, ny Congrès dentaire de l’Océan indien (CDOI), andiany voalohany. Fihaonambe hivondronan’ny mpitsabo nify eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo matihanina sy ny fampiasana ireo teknolojia vaovao eo amin’ny fitsaboana ny hetsika hatao. Zava-dehibe ho an’i […]