Naneho fahavononana hitondra fampandrosoana Andrianasolo Nofinirina Tinasoa na Datina. Izy, araka izany, no kandidà voalohany ho ben’ny Tanàna nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina eny amin’ny kaominina Ambohimanambola, distrika Avaradrano. Niaraka amin’ireo mpiara-dia aminy sy ireo mpanolotsaina 7, omaly, nanatitra izany. Nilaza ny filohan’ny Ovec fa i Datina mihitsy no kandidà voalohany […]
Fiaraha-monina
Vondrona Andriantsitohaina sy ny fondation HV: nanavao ny efitrano fianarana ao amin’ny EPP Ankadinandriana
Mianatra anaty filaminana manomboka izao ny mpianatra 400 isa, ao amin’ny EPP Ankadinandriana. Vita ny fanavaozana ireo efitrano valo, niaraka amin’ny mpiray ombon’antoka tsy miankina mitsinjo ny fanabeazana ny zaza malagasy. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fanavaozana ny efitrano fianarana valo, efitrano vohi-piraisana sy ny toeram-pivoahana, eo anivon’ny EPP […]
INDRAY MIJERY
Manao fanentanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa ao anatin’ny vanim-potoana mampirongatra ny valanaretina pesta isika amin’izao fotoana, ka mila fahamailoana tanteraka. Tokony hatao ireo fihetsika rehetra hisorohana ny aretina, toy ny fanadiovana ny manodidina ny tanàna, manatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha misy aretina mampiahiahy. Hifarana, anio, ny atrikasa fandrafetana ny drafitra […]
Kaominina Ambohimanga: Misitraka toeram-panatanjahantena
Notokanana, omaly, ny toerana fanaovana karazana fanatanjahantena eny amin’ny kaominina Ambohimanga, nohavaozin’ny Fondation Axian. Fotodrafitrasa hahafahan’ireo tanora mivelatra amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izay fefy iray tsy hironan’izy ireo amin-javatra mamohehitra. Betsaka rahateo ny tanora mankafy fanatanjahantena ao an-toerana ka hanampy azy ireo ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Mirefy 288 m2 ny toerana […]
Cisco Mahabo : nomena tohana ireo mpianatra sangany
Notolorana fitaovam-pianarana sy tohana ara-bola ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC farany teo tany amin’ny faritra Menabe, ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Mahabo. Natao ny hetsika mba ho fankasitrahana feno tamin’ny ezaka nataon’izy ireo nandritra ny fotoam-panalana fanadinana. Hampirisihina ihany koa ireo ankizy hanala ny fanadinana amin’ity taom-pianarana vaovao ity […]