Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, ny tolotra fanofanana hahazoana mari-pahaizana « Master en Gestion et traitement de l’eau » sy ny « Science eau et énergie ». Tetikasa nivoaka tamin’ny fandaharanasa « Erasmus plus » iantohan’ny Vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ny Oniversite efatra dia ny Limoges, Roumanie, Belgique ary La Réunion izany. Nahazo tombontsoa ny sampam-pianarana […]
Fiaraha-monina
Fisitrahana zo ara-pananahana : Nanamafy ny fanoloran-tenany ireo mpiantsehatra
Mitaky ezaka betsaka amin’ny ankolafin-kery marolafy ny fampisitrahana ny zo ara-pananahana raha ny eto Madagasikara. Nanamafy ny fahavononany ireo mpiantsehatra. Natao teny Ivandry, tamin’ity herinandro ity, ny sonia fanamafisana ny fanoloran-tena momba ny fanatrarana ny ezaka amin’ny fisitrahana ny zo ho salama ara-pananahana ho an’ny vehivavy. Nodinihina lalina ireo paikady […]
INDRAY MIJERY
Ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo , indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tao Toamasina, nomena fiofanana mahakasika ny fitiliana sy fandraisana an-tanana izany ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanentana eny ifotony ao anatin’ny SDSP Toamasina I. Nohamafisina manokana ihany koa ny fanaovam-baksiny mba hisorohana ireo aretina azo sorohana. Notontosaina […]
Fandaharanasa « Toamasina Miarina » : « Mizotra miandalana ny asa », hoy ny MSP
Nidina ifotony nijery sy nanara-maso ny fanatanterahana ny fandaharanasa « Toamasina Miarina », taorian’ny rivodoza, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), Erick Michel. Mizotra miandalana ny asa efa natomboka, ho fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza ao amin’ny faritra Atsinanana. Miompana bebe kokoa amin’ny fitsinjovana ny maha olona izany amin’izao fiandohany izao. Misy ny […]
Mpampivelona : Entanina hiditra anaty holafitra
Nandritra ny fihaonamben’ny mpampivelona, ny faran’ny herinandro teo, no nanaovana antso avo ny hidiran’izy ireo anatin’ny holafitra, hiarovana azy ireo amin’ny asany sy hidirany anaty rafitra ara-dalàna. “Takin’ny lalàna mihitsy ny fidirana anaty holafitra mialoha ny hanatanterahana ny asa no sady fiarovana azy ireo raha sendra olana any am-panatanterahana ny […]




