Fiaraha-monina

ANTANANARIVO RENIVOHITRA: laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fitaterana

Iankinan’ny fiainan’ny mponin’Antananarivo ny fitaterana sy ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Mafy ny fitohanana, miteraka fahatarana ho an’ny mpianatra sy ho an’ny mpiasa. Mijery vahaolana ireo tomponandraikitra. Nihaona ary nidinika mo­mba ny fanatsarana tsy maintsy hatao amin’ny fitaterana eto Antananarivo ny PDS Ramanantsoa Harilala sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana […]

Tafika an-dranomasina: hatsangana ny seranan-tsambo miaramila ao Melaky

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanitsian-drafitra sy ny fanaovana ny Tafika ho maoderina ny fananganana fotodrafitrasa maro. Tanjona ny hahafahana mampandroso sy mampivelatra haingana ny asa. Tao anatin’ny roa andro (10 sy 11 septambra 2024) nanao fidinana ifotony any Maintirano ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny Amiraly Tsiriniaina Gabriel, miaraka amin’ireo […]

Vao nivoaka ny fonja : nangalatra panneau solaire indray ilay jiolahy

Tratra teo am-pibatana ny panneau solaire avy nangalariny indray ny jiolahy iray mpamerin-keloka teny Ankadindratombo, afakomaly. Vao nivoaka ny fonja izy kanjo niverina nanohy ny asa ratsiny indray… Tsy mety fay sa maivana loatra ny sazy ? Voa­sambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Alasora, afakomaly, indray ny jiolahy iray […]

INDRAY MIJERY

Tonga eto Madagadikara ireo mpitsabo avy any Turquie, izay avy amin’ny fikambanana mpanao asa soa Hands Giving Lives. Izy ireo izay tonga hifampizara traikefa sy hanatanteraka fandidiana maimaimpoana, mandritra ny fotoana ivahinianany eto. Hiasa ao amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka izy ireo. Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly ihany koa […]

Fampisakafoana an-tsekoly: mpianatra 400 000 fahanan’ny Pam

Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity, mpianatra miisa 400 000 no hisitraka sakafo mafana an-tsekoly. Avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany miisa 1250 ao amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana ary ny anivon-tany no hanatanterahana izany. Anisan’ny mampirisika ny ankizy handeha […]