Fiaraha-monina

Foibe Manjary Soa 67 Ha: hiantohan’ny Axian ny sakafo mandritra ny taom-pianarana

Miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo orinasa ny minisiteran’ny Asa amin’ny fampandehanana ny foibe Manjary Soa mitaiza ireo ankizy sahirana. Nanohina ny antso ny vondrona Axian. Tonga nanolo-tanana ny foibe Manjary Soa 67 Ha ny vondron’orinasa Axian, omaly. Nanome fitaovam-pianarana sy kojakoja hiatrehina ny fidirana an-tsekoly izy ireo. Nampanantena […]

INDRAY MIJERY

58,86% ny taham-pahafahana fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity. 58,01% izany ho an’ny bakalorea ankapobeny ary 74, 58% ho an’ny bakalorea teknika. Nidina kely io taha io raha oharina tamin’ny taon-dasa (59,93%). Tsiahivina fa nilamina ny fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity, tsy toy ny tamin’ny taon-dasa. Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny […]

Boriborintany V: tokantrano 2 100 nisitraka ny Tsimbina faharoa

Natao afakomaly, tetsy amin’ny Boriborintany faha-5, ny fizarana ny andiany faharoa amin’ny vatsy Tsimbina tanterahin’ny minisiteran’ny Mponi­na sy ny firaisankina. Ireo tokantrano nisitraka ny andiany voalohany tetsy Maha­masina nandritra ny fanokafana ny fizarana niarahana tamin’ny filoham-pirenena ireto nahazo ny andiany faharoa ireto. Mahatratra 2 100 izy ireo no nahafeno ny […]

APIPA: fanamby ny tsy hisian’ny tondradrano eto Antananarivo

Miasa tsy an-kiato ao anatin’ny 20 andro ireo mpiara-miasa ao amin’ny Apipa hahazoana vokatra misongadina. Tanjona ny tsy hisian’ny tondradrano amin’ny lemak’Antananarivo amin’ity fotoam-pahavaratra ity. Miomana avy hatrany amin’ny fiatrehana ny vanim-potoan’ny fahavaratra ny Apipa. Nanao fanamby ny ekipa tarihin’ny tale Ramanantsoa Andriamahafaly Rado ny tsy hisian’ny fiakaran’ny rano mihoapampana […]

Salon des études supérieures : fisafidianana lalam-piofanana manavanana

Hifarana anio, ny «Salon des études supérieures», an­diany faha-21, etsy amin’ny Akoor Digue Andohata­pe­na­ka. Hetsika karakarain’ny Ma­da jeune. Natao hanampiana ireo mpianatra vao afaka ny fanadinana bakalorea teo hahay hisafidy ny lalam-piofanana mifaranaka amin’ny ta­len­ta sy ny manavanana azy ireo. Mampiavaka ny hetsika ny fisian’ny fitsapam-pahaizana ho an’ny mpianatra eny […]