Fiaraha-monina

Ady amin’ny tazomoka : Hahitsy ny paikady nasionaly PSN 2023-2027

Manatanteraka atrikasa ho fanitsiana ny Paikady nasionaly hiadina amin’ny valanaretina tazomoka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Pai­ka­dy enti-miasa ao anatin’ny efa-taona, 2023-2027, ity asiam-­panovana ity. Tanjona ny hanamafisana ireo asa tsara nahazoana vokatra sy hanitsiana ny tanjona ho tratrarina hatramin’ny 2030. Entina hanatsarana ireo lesoka hita ihany koa izany. Ankoatra izay, hamaritana […]

Fitsinjarana ny fanampiana : Ilaina ny fitsipi-piton­drantenan’ny tsirairay

Tamin’ny fandalovan’ny Praiminisitra tany Toamasina, napetraka ny drafitrasa hamonjena an’i Toamasina, ahafahan’ny olona miverina amin’ny fiainana andavanandro. Zavatra telo no laharam-pahamehana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany Toamasina I sy II. Eo ny fitsinjarana ny sakafo, ny fampianarana ary ny fahasalamana. Faharoa ny fanadiovana ny tanànan’i Toamasina I satria renivohitr’i Madagasikara […]

Hamonjena ny traboina : Nanolotra fitaovana ho an’ny BNGRC ny COI

Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC, ny fandraisana ny fitaovana nomen’ny Commission de l’Océan Indien (COI). Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izany, ao anatin’ny tetikasa « Renforcement de la résilience et gestion de la réponse aux catastrophes dans l’Océan Indien » (RDRM). Fanamafisana ny fitaovana ho an’ny Centre opérationnel eo […]

Fanampiana traboina ao Toamasina: Maro ny misafidy tsy handalo BNGRC

Manoloana ny fahataran’ny fitsinjarana ireo fanampiana voaangona eo anivon’ny BNGRC, betsaka ireo misafidy ny hivantana avy hatrany eny anivon’ny rafi-piarahamonina, araka ny fitsirihana na­taon’ireo vondrona tsara sitrapo. Ho an’ny 974, Gasy Mira­ry, avy antsy amin’ny Nosy rahavavy, La Réunion, nisafidy an’i Kalajila, mpanakanto, izy ireo hitarika ekipa manao fitsirihana isam-pokontany […]

Hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro : Nofanina ny teknisianina sy ny mpiray ombon’antoka

Notontosaina teto Antana­narivo ny fampahafantarana ny Climate Risk Informed Decision Analysis (Crida) sy ny fampiofanana ireo teknisianin’ny minisitera sy ireo mpiray ombon’antoka rehetra. Momba ny teknika sy fomba entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany, indrindra amin’ny tahirin-drano eto Madagasikara izany, araka ny fanazavan’ny talen’ny Andea, Rasoamiara­manana Ngolatiana Hobinan­tenaina. […]