Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Niainga omaly ho any Nosy be ireo infirmiera an-jatony hiatrika ny fihaonambe ataon’izy ireo. Tanterahina manomboka ny 23 aogositra hatramin’ny 25 aogositra izao ny hetsika. 8 volana izay no nitantanan’ny birao ny holafitry ny infirmier, ankehitriny. Nisongadina tamin’ireo asa vitan’izy ireo ny famolavolana ny code de déontologie sy ny fanatsarana […]

FIHAONAMBEN’ny AFAFI-FET: nosokafana tamin’ny sorona masina

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, tany Antsiranana ny fihaonambe na­sionalin’ny fikambanana masina Afafi-Fet eo anivon’ny fiangonana katolika. Nanom­bohana izany ny sorona masina, notarihan’ny Arsevekan’ An­tsi­ra­nanana, Mgr Benjamin Marc Ramarson. Notronin’ny Evekan’Ambanja sy ireo Pretra maro avy amin’ny Dio­sezy maro eto Mada­ga­sikara. Tonga nanatrika izany ihany koa ny aumônier Nationalin’ny Afafi-Fet […]

METM : miatrika ny fihaonambe 2024 ireo diakona

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, androany maraina, any amin’ny fiangonana METM ziona maritiora Ankazobe ny fihaonamben’ny diakona eo anivon’ny fiangonana protestanta METM eto Madagasikara. « Arahina antsam-piderana maro samihafa izany androany hariva », hoy ny Révérend Docteur Randriamananjara Philibert, filohan’ny fiangonana METM, raha nampahafantatra ny hetsika. Fanao isaky ny roa taona ny fihaonambe. […]

Tetikasa FIOVANA: nanatsara ny velon-tenan’ireo tantsaha ny tantsoroka natao

Naharitra dimy taona tany amin’ny faritra Atsimo Antsinanana ny tetikasa Fiovana. Nitondra fiovana betsaka teo amin’ ny fiainan’ny tantsaha ny fanantanterahana azy io. Nofaranana, omaly, etsy amin’ny Novotel Ivan­dry ny tetikasa Fiovana naharitra dimy taona, izay notanterahina tany amin’ny faritra Atsimo Antsinanan’ny Nosy. Nahazahoana tantsoroka samihafa avy amin’ny USAID sy […]

INDRAY MIJERY

Nanao fanambarana ny Seces fa tokony handroso vahaolana voadinika tsara ny fahefana mpanatanteraka, mba hitondra filaminana sosialy maharitra ho an’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Efa nanome tolokevitra maro niainga avy eny ifotony ny sendikàn’ny mpampianatra ka tokony hiainga avy amin’izy ireny no handrafetana vahaolana. Momba ny toetry ny andro, eo anelanelan’ny […]