Fiaraha-monina

Ho an’ny traboina : Nanolotra fanampiana ny Orange Madagascar

Ao anatin’ny fiatrehana ny voina, ilaina ny fahaizana miatrika sy mandrindra ny fanampiana ho an’ny mpiara-belona. Midina an-tsehatra eny ifotony ny mpiasan’ny minisiteran’ny Paositra sy ny haitao ara-kajy mirindra manangona ny mombamomba ireo traboina rehetra, ahafahana manome anjara sahady ireo niharam-boina ho fanohanana miaraka amin’ny ekipan’ny BNGRC. Iandraike­tan’ny mpiasan’ny minisitera […]

Aretina Mpox : Saropady ny zaza sy ireo misy VIH/Sida

Nitondra fanazavana ny dokotera mpitsabo manokana ny zaza, Rasoanirina Marysia Raissa, fa mafy kokoa ny fitrangan’ny aretina Mpox amin’ny zaza raha oharina amin’ny olon-dehibe. Mifindra amin’ny zaza sy ny ankizy amin’ny alalan’ny fifampikasohana matetika na ny piti-drora na fifandimbiasana lamba, toy ny akanjo, servieta, bodofotsy… Raha vao taraiky ny fandraisana […]

Faritra sivy mitondra takaitra : 66 414 traboina, folo namoy ny ainy vokatry ny rivodoza Fytia

Nitombo ho 66 414 ireo olona traboina ao amin’ny distrika 30, anatin’ny faritra sivy, mitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia. Folo ny olona namoy ny ainy ary fito naratra. Folo ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia teto Madagasikara (iray teto Antananarivo, iray tany Ambato Boeny, […]

Ampitatafika : Hotolorana vary ny traboina sy ny sahirana

Toerana iray anisan’ny misedra olana amin’ny fiakaran’ny rano ny manamorona iny reniranon’i Sisaony iny. « Tafakatra any an-trano ambany rihana sy ny tokotany ary ny faritry ny toeram-pivoahana mihitsy ny rano », hoy ireo olona monina eny Anja­namaitso, fokontany Ampita­tafika Vaovao. Efa tratran’ny rano niakatra intelo nifanesy ny ankamaroan’ny tranon’ olona eny. […]

INDRAY MIJERY

Nosokafana ny faran’ny volana janoary teo ny asa “tolo-tanana” ho fanomezana fahasalamana maimaimpoana, karakarain’ny “Rotary” ho an’ny vahoaka ao amin’ny faritra Menabe. Maro ny fandidiana atao toy ny sima, hernie, may (miraikitra), vaky lanilany…. Haha­ritra hatramin’ny 6 febroary ny hetsika. Nomarihina fa maimaimpoana avokoa hatramin’ny fanafody ary rai­sina an-tanana na […]