Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Araka ny vinavina, hitombo hery miandalana ilay andro ratsy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ary tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo ivoarany. Mety ho lasa rivodoza izy, anio. Araka ny antontan-kevitra voaray, manambana mivantana ny faritra Ava­ratra Andrefana iny ity andro ratsy ity, rahampitso maraina. Entanina sahady ny mponina amin’ny faritra Boeny […]

Zo ara-pananahana : Ankilabao ireo manana fahasembanana

Mahatsiaro tena ho tsy misitraka feno ny zo ara-pananahana ireo vehivavy ma­nana fahasembanana, raha ny nambaran’ny solontenan’ izy ireo, Raharivelo Lala, ao amin’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara, Afham. Tsy mbola tafita tsara ny hafatra ho amin’izany sy ny fi­terahana izay tokony hosi­trahin’izy ireo amin’ny maha olombelona azy. Mbola […]

Fahasalamana : Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana

Tamin’ny taona 2015, fantatra fa i Madagasikara no fire­nena faha-13 anjakan’ny vohoka aloha loatra. Raha ny salanisa dia tovovavy 1 ao anatin’ny 3 amin’ny salan-taona voafaritra amin’izany no efa manan-janaka. “Tsy mbola tena misy ny fanabeazana ara-pananahana feno na ao an-trano na any an-dakilasy, any anaty fikambanana, amin’ny fiarahamonina”, hoy […]

Asa any ivelany : Hatsaraina ny kalitaon’ny fandraisana mpiasa atsy Maorisy

Mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, nosokafan’ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa sy ny asam-panjakana, Florent Soatiana Bety Léonne, ny atrikasa momba ny fandraisana mpiasa ho atsy Maorisy. Nivoitra, tamin’izany, fa ilaina ny atrikasa ta­haka izao hametrahana ny ara-dàlana sy ny etika amin’ ny fandraisana mpiasa, “Ré­crutement éthique”, hiondrana atsy amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Nanomboka ny volana novambra hatramin’ny talata lasa teo, vokatry ny rotsakorana be loatra, nahatratra 19 ny olona maty, 20 naratra, 6 385 ny traboina (tokantrano 1 653). Olona 3 090 nafindra toerana, 1 319 ny trano dibo-drano, 37 simba, 153 rava, araka ny tatitry ny BNGRC, omaly. 10 ny faritra […]