Fiaraha-monina

Mesupres-Fondation Viseo : Mifanome tanana hanarenana ny Oniversite

Vita sonia ny alakamisy teo, tao amin’ny Atelier Luban, teny amin’ny Sekoly ambony Polyteknika Vontovorona (ESPA), ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny Fondation Viseo mahakasika ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba eny anivon’ny Oniversite. “Tanjona ny hanomezan-danja ny toeram-pianaran’ny mpianatra izay fototra iorenan’ny fampandrosoana […]

Nano Mada 2025 : Famelabelarana voka-pikarohan’ny nanotechnologie maneran-tany

Andiany fahatelo ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny nanotechnologie eto Mada­gasikara. Tanterahina eny amin’ny Akademiam-pirenena Tsimbazaza, mandritra ny roa andro izany. “Nano Mada 2025”, izay ahitana famelabelarana voka-pikarohana maro amin’ny nanotechnologie maneran-tany sy ahafanta­rana ny fandrosoana hatramin’ izay. Misy koa fifanakalozan-kevitra iarahan’ny manam-pahaizana malagasy sy vahiny tonga hanatrika ny hetsika eto […]

Bazar de Noël, andiany faha-63: Anamafisana ny asa sosialy ataon’ny fikambanana WMG

Tontosa afakomaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny “Bazar de Noël”, andiany faha-63. Hetsika nokarakarain’ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG). Tonga maro teny an-toerana ireo mpitsidika na­nomboka tamin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva. “Nahafapo ny hetsika satria nahitana ireo entana sy zavatra tena ilaina amin’ny fanomanana ny fankalazana ny […]

Fanohanana ny tanora: Hamoraina ny tsenan’ny asa

Tafiditra amin’ny vinan’ny minisiteran’ ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, tarihin’ny minisitra Flo­rent Soatiana Bety Léonne, ny momba ny fanataterahana ny politikan’ny governemantan’ ny Fanovana. Ao anatin’izany ny ho fanatsarana ny tsenan’ ny asa ho an’ny tanora. Nomen’ny minisitera tan­tsoroka ara-teknika ireo ta­nora ao amin’ny faritra Itasy, ny he­rinandro […]