Fiaraha-monina

Lalaon-tsaina an-gazety: natao hitazomana ny fitadidiana sy ny fiasan’ny atidoha

Mihamivoatra hatrany ny lalaon-tsaina samihafa maneran-tany sy eto Madagasikara. Mampiala voly sy manatsara ny fiasan’ny saina ny tena antony mahasarika ny maro manao azy ireny, toy ny mots croisés. Maro mpisafidy sy be mpanao ny karazana lalaon-tsaina hita anaty gazety sy gazety boky isan-karazany maneran-tany. Ani­san’ny ahitana mpankafy maro ihany […]

Fanaovana yoga: azo hifehezana ny rarintsaina

Azo hifehezana ny rarintsaina (stress) ny fanaovana yoga. Fomba efa manomboka mahazo vahana eto amintsika. Fomba fanao indianina ny yoga izay anisan’ny fitsaboana vatana no sady fanatanjahantena koa. Mampiasa ny fahaiza-miaina (respiration) sy ny fahafahana manetsika vatana (souplesse). Manampy amin’ny fifantohana ny yoga ary azon’ny olona rehetra atao manomboka amin’ny […]

BEN’NY TANANAN’Imerintsiatosika: nanasongadina ireo seha-pampandrosoana

Hetsika maro sosona no hita teny amin’ny kaominina Imerintsiatosika, omaly, izay notarihin’ny ben’ny Tanàna Andriambolanarivo Parisoa. Nisongadina, tamin’izany, ny fizarana karatany faobe natao tamin’ireo fokontany 9, ani­san’ny mandrafitra ny kaominina. Fanamorana ny fisitrahana ara-dalàna ny tanin’ny tan­tsaha ny karatany. Efa maherin’ny iray alina no vita sy nozaraina. Mizaka irery ny […]

Fitsarana bakalorea Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tambin-karama andiany voalohany

Mbola ao anatin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea ny mpampianatra amin’izao fotoana izao. Hozaraina tsy ho ela ny tambin-karama ho azy ireo, raha ny fanazavana voaray. «Hozaraina amin’ity herinandro ity ny tambin-karama andiany voalohany ho an’ireo mpampianatra mitsara sy niambina ny fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity », raha ny fanazavana voaray. « Ezahina […]

Fitiavana sy fialamboly: maharisika ny maro ny manofana alika ho haingon-trano

Efa manomboka mi­rona amin’ny fiompiana alika tsara karazana (chien de race) ny Malagasy an­kehitriny, raha ny zava-misy. Somary lafo ny fikarakarana azy ireny fa tsy maha­sakana ny olona hiompy sy hikara­raka azy izany noho ilay fitiavana ao anaty. “Maharesy lahatra ahy hiompy chien de race ny fitiavana alika efa hatramin’ny […]