Fiaraha-monina

Oniversiten’Antananarivo : Mpianatra 48 tsy afaka hianatra an-taona maro

Nandritra ny Conseil de discipline (Codis) nataon’ny Oni­versiten’Antananarivo, nandraisana fanapahan-kevitra ny hamaizana ireo mpianatra tratra nangala-tahaka sy nanao hosoka ary nisandoka ho mpianatra hafa nandritra ny fanadinana. Voafaritry ny lalàna laharana 28457/2025 tamin’ny 11 septambra 2015 izany. Fantatra, tamin’izany, fa 54 ireo mpianatra voakasiky ny fa­maizana ary hampiharana avy hatrany […]

Fahasalamana : Nankatoavina ny PSN BSC/ SDSR-SMNIA-N

Nankatoavina tamin’ity herinandro ity ny paikady nasionalin’i Mada­gasikara mahakasika ny fiovam-pihetsiky ny fiarahamonina amin’ny fahasalamana sy zo ara-pananahana, fahasalaman’ny reny, ny zaza vao teraka, ny ankizy, ny zatovo sy ny tanora ary ny fanjarian-tsakafo ho an’ny taona 2026-2030 na PSN SBC/SDSR – SMNIA-N. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-baho­aka tamin’ny sehatra marolafy (minisitera […]

INDRAY MIJERY

Taorian’ny fihaonana nisy teo amin’ny Lehiben’ny faritra Vakinankaratra sy ny mpitantana ny Oniversite, niroso tamin’ny fanamboaran-dalana miditra ny oniversite ny mpitantana. Milina vaventy telo: compacteur, niveleuse ary camion benne, no miasa eny Tsaratanàna manao ny asa. Misedra olana ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha eny Tsaratanàna amin’izao vanim-potoana fahavaratra izao, […]

Valanaretina Mpox : Lasibatra ny tanora manodidina ny 23 taona

Mandeha haingana ny fandraisana fepetra tsy hiparitahan’ny valanaretina Mpox eto amintsika. Ho an’ny andron’ny 13 janoary, 22 ny tranga ahina vaovao ary efatra ny tranga voamarina. Raha vao misy tranga ahina, alefa amin’ny toeram-pitsaboana ireo olona ary tokony hahiboka raha voamarina fa tratra mandra-pahasitrana satria ny marary iray mamindra amin’ny […]

Toetr’andro : Mihaodihaody ny rivodoza

Miforona any amin’ny ranomasimbe Indianina ilay rivo­doza Dudzai. Omaly, mbola any amin’ny 3 100 km atsina­nan’ny morontsirak’I Madagasikara no nisy azy. Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby fa tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ity rivodoza ity ao anatin’ny herinandro. Arahi-maso hatrany nefa ny […]