Efa maro ireo miandry vaksiny miaro amin’ny aretina Mpox. Fantatra izao fa efa an-dalam-panafarana izany ny fanjakana. Fantatra nandritra ny tatitra nataon’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ny TVM fa efa miroso amin’ny fanafarana ny vaksiny miaro amin’ny valanaretina Mpox ny fanjakana amin’izao fotoana. Hatao laharam-pahamehana hisitraka izany ireo sokajin’olona marefo. […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Manatanteraka asa sosialy, izay imasoan’izy ireo amin’ity taona 2026 ity, ny FJKM. Samy manana ny toerana hanatanterahany izany ny Synodam-paritany rehetra. Fizarana sakafo mafana, fizaham-pahasalamana, fitiliana diabeta sy tosidra, ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, fizahana maso… no hatao amin’izany. Mety hisy ny fikorontanana any ambony tsy taka-maso amin’ny habaka ho an’ny […]
Mpox : 8 ireo trangan’aretina vaovao
Nanao tatitra ny profesora Mamy Randria, misahana ny Cousp nasionaly, fa nahitana tranga vaovao miisa 8 indray ny valanaretina Mpox, ny faran’ny herinandro teo. Mitotaly 207 izany ny tranga rehetra manerana ny Nosy. Ny 184 no tranga mampiahiahy fa ny 23 kosa no efa voamarina tamin’ny alalan’ny fitiliana. Mizotra tsara […]
Fokontany Bevala-Amboasary Atsimo : Traboina an-jatony nokarakaraina
Noho ny fiakaran’ny reniranon’i Mandrare, Amboasary Atsimo (faritra Anosy), vokatry ny habetsahan’ny rotsakorana, ny herinandro lasa teo, aman-jatony ireo mponina manodidina traboina. Nanamafy fiombonana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana nijery ifotony ny zava-misy ny ekipan’ny fahasalamana, notarihin’ny Médecin inspecteur ao Amboasary Atsimo, ny faran’ny herinandro teo. Nanolotra lay misy odimoka […]
Hopitalim-panjakana : Nitrangana antandrevaka, namoizana aina roa
Nanomboka ny fiandohan’ity taona ity, indroa nahitana antandrevaka amin’ny fandraisana marary eo anivon’ny hopitalim-panjakana, namoizana aina avokoa izany. Ny voalohany, tranga niseho tao Miandrivazo, nahafatesana mpitsara iray niala sasatra tany an-toerana, ny 2 janoary lasa teo. Tranga faharoa ny tao Toamasina, ny 10 janoary ka mpiasan’ny fadintseranana indray no lasibatra […]





