Velon-taraina ny fikambanan’ny olona manana toetena varira eto Madagasikara fa mbola mitohy ny sompatra ataon’ireo mpamono olona amin’izy ireo. Tany vangaindrano, tamin’ity herinandro ity, zazavavikely varira vao 10 taona no novonoin’ny jiolahy tany Bevato Tsahalana, distrika Vangaindrano. Notapahina ny tendany ary nentin’ireo mpamono olona any ny lohany. Tetsy andaniny, naratra […]
Fiaraha-monina
Distrika Ambohidratrimo: niara-nientana nankalaza ny fetim-pirenena
Tontosa antsakany sy andavany ny fankalazana ny fetin’ny asaramanitra 2024, teto amin’ny Nosy. Anisan’ny nahavita izany ny tetsy amin’ny disitrika Ambohidratrimo. Niara-nientana sy niara-paly ny rehetra nandritra ny hetsika maro teny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny tanjona napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. “Malagasy miara-mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”, io ny […]
Cisco Antananarivo Renivohitra: miisa 24 667 ny mpiadina BEPC amin’ity taona ity
Haharitra hefarana ny fanadinam-panjakana BEPC, izay hosantarina amin’ny alatsinainy ho avy izao. Manome torohevitra amin’ny fomba fiatrehana amim-pilaminana ny fanadinana ny mpampianatra satria efa vita tanteraka ny famerenana ho an’ny taranja rehetra. Hanomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao ny fiatrehana ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Manamasaka ny toromarika madinidinika […]
Vaky trano: kandidà depiote lasibatra
Lasibatry ny vaky trano ny kandidà solombavambahoaka iray monina ao amin’ny fokontany Andamasiny, kaominina ambanivohitra Mitsinjo, Toliara, afakomaly alina. Novakian’ireo olon-dratsy ny fitaratra. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nandroba ny entana sarobidy, tamin’ny 9 ora alina. Voaroba ny solosaina miisa roa sy finday telo. Nanamafy koa ny tompon-trano […]
Trafikan-tsokatra: olona efatra voasambotra
Naiditra vonjimaika am-ponja ireo olona telo voasambotra teto Antananarivo momba ny trafikan-tsokatra, afakomaly. Nahatraran’ny mpitandro filaminana zana-tsokatra miisa 37 teny amin’ireo olona ireo. Kazaran-tsokatra ahina ho lany tamingana « radiata » ny 36 tamin’ireo biby ireo. Anisan’ny maro mpitady eo amin’ny tsena maizina iraisam-pirenena rahateo io sokatra io. Karazany “pyxis” kosa ny […]