Ho fanampiana ny vondron’olona marefo hiarina aorian’ny loza voajanahary, hiara-hiasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Natao tany Toliara ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Hiompana manokana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hetsika mifandraika amin’izay no […]
Fiaraha-monina
Fampandrosoana ny maha olona : firenena miarina i Madagasikara nanomboka ny taona 2022
Miharihary ny tsy fitoviana eo amin’ny firenena mandroso sy ireo mbola an-dalam-pandrosoana ho an’ny fampandrosoana ny maha olona, araka ny tatitry ny Fandraharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) ho an’ny taona 2023-2024, omaly teny Ankorondrano. Amin’ny firenena 35 andalam-pandrosoana, 18 amin’ireo tsy mbola nahatratra ny tahan’ny fandrosoana ny maha […]
INDRAY MIJERY
Nitombo isa ireo Lycée sy CEG nanangana klioba Hary fahalalana, hary fomba (HFHF). Mifototra amin’ny fampitana hafatra mafonja an’onjampeo mahakasika ny fanabeazana ho olom-pirenena sy ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo sy ny tanora ny tetikasa klioba HFHF.45 ireo tafatsangana eny anivon’ny Dren 15, ny taona 2023. Nanomboka ny 10 jona hatramin’ny […]
Fanadinana CEPE: noraisina ny fepetra hisorohana ny hosoka
Nizotra tamim-pilaminana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE, omaly tontolo andro, manerana ny Nosy. Nitsidika ny foibem-panadinana CEG Antanimbarinandriana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena misolo toerana, Randriamanantany Zely Arivelo, nijery ny fikarakarana. Nanambara izy fa anio no hanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana ary hoezahina tsy hihoatra ny herinandro ny famoahana ny valim-panadinana. […]
Kianjan’i Betongolo : Kermesin’ny hery mampandry fahalemana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny kermesin’ny Hery fiarovana sy filaminana etsy amin’ny kianjan’i Betongolo. Haharitra 8 andro ny hetsika ary hifarana ny 26 jona izao. Natomboka tamin’ny lanonam-panehoana ny Hery fiarovana sy filamanana ny lanonana. Toy izay koa ny vady miaramila sy ny vadina zandary. Tanjona ny hametrahana fandriampahalemana […]