Nisy ny atrikasa notanterahin’ny Direction d’apprentissage et de la formation qualifiante sy ny Direction d’ingénierie de formation et pédagogie, izay sampandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, tamin’iny herinandro iny. Nifantoka tamin’ny fanavaozana ny taranja Fampianarana momba ny fandraharahana izany, ho fampifanarahana ny votoaty sy ny fomba […]
Fiaraha-monina
Fanomanana ny fidiran’ny mpianatra : Andaniana hatramin’ny 600 000 Ar ny ankizy roa
Amin’ity herinandro ity ny fanomanana farany ny fidiran’ ny mpianatra, satria hiatrika ny taom-pianarana vaovao indray izy ireo, amin’ny ambaratonga roa, ny 8 septambra izao, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa voaloa avokoa ny “Frais generaux” sy ny saram-pianarana volana septambra fa mbola mameno ny fitaovana sy ny boky ary […]
Toetry ny andro : 3°C-37°C ny maripana mandritra ity herinandro ity
Manodidina ny 3 hatramin’ny 23 °C ny maripana ny maraina, ary eo anelanelan’ny 20 sy 37 °C kosa ny tolakandro ho an’ity herinandro ity. Ny tsiokan’ny alizay tsy marin-toerana no mandrafitra ny mety ho toetry ny andro hatramin’ny rahampitso. Hihamalefaka izany manomboka ny alakamisy, noho ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny […]
CHU-JRA : Andraikitra maro ny sahanin’ny biraon’ny fidirana sy fivoahana
Mbola mananosarotra ny olona ny manatona hopitaly noho ny toerana midadasika sy ny tsy fahafantarana zavatra maro. Mitondra fanazavana mahakasika ny asan’ny Sampandraharaha misahana ny fidirana sy ny fivoahan’ny marary ao amin’ny hopitaly ny lehibeny, Lalaharimanana Rachelle. Miandraikitra ny fitanana an-tsoratra rehetra momba ny fidiran’ny olona hopitaly sy ny fanomezana […]
INDRAY MIJERY
Manomboka miditra tsikelikely ny mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana, amin’ity herinandro ity. Amin’ny herinandro ambony kosa no hanatanteraka izany ny sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Ny 2 sy ny 3 septambra izao no hanatanterahan’ny Madajeunes ny hetsika “Salon des études supérieures” andiany faha-22. Sehatra iray ho an’ireo vao […]




