“Miasa ho amin’ny maha olona manontolo ny Eglizy karismatika fiainam-baovao fa tsy mitory teny ho an’ny fanahy fotsiny ihany. Izany hoe, miasa ho amin’ny vatana sy saina ka antony nananganana ny sampan’asa fampandrosoana”, hoy ny mpitandrina Razafindratsimba Louis François. Nanteriny fa hamelomana ny talentan’ny mpino tsirairay mba ho fanoitra hampivoatra […]
Fiaraha-monina
Fanarenana ireo tena marefo: hiahy ankohonana 657 000 ny fandaharanasa “Tsimbina”
Mampahafantatra ny fandaharanasa vaovao, “Tsimbina”, izay tanterahiny ny Fid.Hiahy ankohonana marefo miisa 657 000 ity fandaharanasa vaovao ity. Fandaharanasan’ny governemanta malagasy ho fiahiana ireo mpiara-belona marefo noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy hanohanana ny fianaran’ny ankizy ny fandaharanasa “Tsimbina”. Vatsy sy tantsoroka misy fanentanana sy hetsika entina manatsara ny fiainan’ireo ankohonana […]
Hopitaly Androva Mahajanga: nijery manokana ny reny sy ny zaza ny Star
Fanavaozana ny fiaraha-miasa. Tsy sambany mantsy no nitondra ny anjara birikiny, ho fitsinjovana ireo reny sy ny zaza mandalo ao amin’ny hopitaly Androva Mahajanga ny Star. Nisy indray ny fanolorana fitaovana ao amin’ity sampandraharaha iray ao amin’ny hopitaly ity, hanatsarana ny fandraisana ireo mpiteraka sy ny zaza. Notoloran’ ny Star […]
INDRAY MIJERY
Hotanterahina eny amin’ny FTMTK Ambohipo ny 5 ka hatramin’ny 7 jolay izao ny fiofanana ho an’ny mpanabe ho an’ny vovonana diosezy katolikan’ny Ankizy, diosezin’Antananarivo. Tanjona ny hanampiana ny traikefa efa ananana amin’ny fitantanana ireo ankizy beazina. Ilaina ny fiofanana hanarahana ny fivoaran’ny fanabeazana. Nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy […]
Fanadiovana ny kaominina: hisy ny ozinina hanodina ny fako ho lasa zezika sy angovo
Anisan’ny mampitaraina ny kaominina maro ny fitantanana ny fako noho ny antony samihafa. Vahaolana maharitra ho azy ireo ny fisian’ny fanodinana fako maharitra ialana amin’ny vesatra isan-karazany. Notanterahina teny Anosy, omaly, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo sy ny Tany Développement mahakasika ny fanangonana ny fako ho azo […]