Fiaraha-monina

Lalambe migodana: Maro ny tsy fanarahan-dalàna hita

Tsy mbola mazava amin’ny mpampiasa lalana ny fifampifehezana anatin’ny lalambe migodana, miainga eny Tsarasaotra. Gaboraraka ny fampiasana azy io ka ahina hitera-doza raha tsy raisina haingana ny fepetra. Ny faran’ny herinandro teo, betsaka ireo fiara nivezivezy tamin’iny lalana iny, nijery ny zava-bita. Maro ny tsy fanarahan-dalàna hita, nandritra izany, toy […]

Sekoly tsy miankina: 40% ny mpianatra nahavita ny fisoratana anarana

Manomana ny fidirana, ny 8 septambra, ny sekoly miahy tena. Miasa, araka izany, ireo mpandraharaha mandray ny fisoratana anarana, raha manomana ny fitsinjarana ny fandaharam-potoana ho an’ny kilasy tsirairay avy kosa ny mpanabe, amin’ity herinandro ity. Fiverenana fandraisana ny asa omaly ho an’ny mpanabe sy ny mpandraharahan’ny sehatry ny fanabeazana […]

Antananarivo : 38 618 ireo nahazo ny diplaoma bakalorea

Nivoaka ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny foibem-panadinana ny valin’ny fanadinana bakalorea ho an’ny faritanin’Antananarivo. Afaka nojerena tamin’ny ala­lan’ny finday koa izany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasam-pifandraisana telo. 47,49% ny taham-pahafahana ka 38 618 ireo nahazo ny di­plaoma bakalorea hirosoana amin’ny fampianarana ambony. Manerana ny Nosy, 112 794 ireo mpiadina afaka […]

Faritra Ihorombe : Nisitraka tohana ireo sokajin’olona marefo

Notsimbinina manokana ireo zokiolona miisa 700 tamina distrika maromaro, ao amin’ny faritra Ihorombe. Nisitraka tohana sosialy miendrika fehezan-karona avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Zokiolona 300 ao Ihosy, 200 ao Iakora ary 200 ao Ivohibe. Tetsy andaniny, nahazo tohana ara-pitaovana ireo olona manana fahasembanana ka notolorana seza misy kodiarana ireo tena […]

Toeram-panofanana Vaha : Nahavita fiofanana ho mpampianatra mpanabe ny andiany Santatra

Notolorana ny taratasy fanamarinana manamarina ny nahatontosany ny fiofanana ho mpampianatra mpanabe ny tanora 8 mianadahy, taorian’ny fianarana nandritra ny telo volana teny anivon’ny toeram-panofanana Vaha eny Itaosy, ny faran’ny herinandro teo. Mpampianatra afaka hi­sehatra amin’ny am­baratonga voalohany sy faharoa fototra izy ireo. Satria manana ny mari-pahaizana bakalorea fara fahakeliny […]