Fiaraha-monina

Tetikasa Sahaza : nampihena ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo

Nisy vokany ny tetikasa Sahaza, sehatrasa hanatsarana ny antoka ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafon’ny reny sy ny zaza ho an’ny faritra telo iasana : Vakinankaratra, Itasy ary Amoron’i Mania. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka mahazo ny ankizy latsaky ny 5 taona izay ambony raha mitaha amin’ny taha nasionaly, hoy […]

Tsenaben’Antananarivo : afapo ny mpikarakara

Mbola hitohy hatramin’ny alahady izao ny varotra fampirantiana ahafahana misafidy fanomezana ho an’ny reny, izay tontosaina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena karakarain’ny Reny Events, nanomboka omaly. Fanampiana ireo sahirana sy tsy manam-potoana hitadiavana fahatsiarovana ho an’ny reny, navondrona ao an-toerana ny mpandraharaha 70 samy manana ny mampiavaka azy […]

Faha-40 taonan’ny TPLA Ambohibao: hiitatra amin’ny fitsaboana ny voa sy ny zaza

Maro ny sampandraharaha ao amin’ny hopitaly loteranina Ambohibao fa ny foibe mitsabo ny fangejan’ny zava-mahadomelina no tena ahafantaran’ny olona azy. Hiitatra amin’ny fitsaboana ny aretin’ny voa ihany koa ny hopitaly. Manamarika ny ivon’ny fankalazana ny faha-40 taona nijoroany ny tobim-pitsaboana Loteranina Ambohibao (LTPA). Anisan’ny mampiavaka ny hopitaly ny fisian’ny foibe […]

INDRAY MIJERY

Tsy hisy fiforonana andro ratsy mety hahakasika ny toetry ny andro eto Madagasikara hatramin’ny 28 mey ho avy izao. Hangatsiaka ny andro ary handrivotra ny ankamaroan’ny faritra eto amin’ny afovoantany, ny faritra avaratra, ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ary ny morontsirak’i Sofia sy Boeny. Hihamalefaka ny tsiokan’ny alizay rahampitso ary handrafitra […]

Masoivoho frantsay tany Sava : nanolotra 71 tapitrisa Ar ho an’ny Care

Nitsidika ny faritra Sava tany Sambava sy Antalaha ny masoivohon’i Frantsa miasa eto amintsika, Arnaud Guillois, ny herinandro lasa teo. Fi­dinana ifotony voalohany notanterahiny tany an-toerana izao. Nidinidinika tamin’ny manam-pahefana izy momba ireo tetikasa fiaraha-miasa efa misy sy ny fanatsarana izany amin’ny ho avy. Nanolotra taratasim-bola mitentina 71 tapitrisa Ar […]