Manomboka miakatra ny voankazo. Ny manga sy ny frezy no betsaka eny an-tsena, amin’izao. Mila ampitomboina ny fahadiovana amin’ny fanasana azy ireny mba tsy hiteraka aretina hafa, indrindra amin’ny ankizy, raha ny torohevitry ny dokotera misahana manokana ny ankizy sy ny zaza noresahina. Sasana madio sy azo antoka, ny voankazo […]
Fiaraha-monina
Mbola miato ny fanotorana tany: Tsara ho fantatra ny karazana vola aloa
Manazava ny karazana vola aloa eny amin’ny Apipa rehefa hanao fanotorana tany ny tomponandraikitra. Eny amin’ny Apipa no hanefana ny vola fanefan-tsazy sy ny saran’ny fanomezan-dalana. Misy ny vola sy lamandy aloa ary manana fahefana ara-dalàna haka izany mialoha ny fahazoan-dalana hanototra ny Apipa. Manana fahefana hampihatra sazy ara-bola ihany […]
INDRAY MIJERY
Tsy nahitana fiovana firy ny tanjak’ilay rivodoza Chenge tato anatin’ny 24 ora. Vinavinaina ho voatazona ny tanjaka tempête tropicale moderée mandritra ny telo na efatra andro manaraka. Hihena miandalana kosa ny heriny aorian’izay satria hikorontana ny tontolo hivoarany. Tsy manambana mivantana an’i Madagasikara izy raha ny vinavina lavitra. Na izany […]
Sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana: Mangataka « indemnité » sy fandraisana mpiasa vaovao
Misy ny fitakiana fohy ezaka nataon’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny sendikà Triade, izay nampahafantarina ny Filoham-panjakana. Nanao tatitra ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana ny sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana (mpitsabo, paramédicaux ary mpandraharaha) Triade, omaly, teny Ambohidahy, nandritra ny fananganan-tsaina. Andraikitra ifampizarana ny fanarenana sy ny fanovana apetraka ka manentana ny mpiasa […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny ezaka ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony ho fiantohana ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ho an’ireo zokiolona. Nanatanteraka fizaham-pahasalamana ho azy ireo ny tao amin’ny distrikan’Andilamena. Maro ireo zokiolona tonga nisitraka fanarahana ny fahasalamany ho fisorohana. Mitohy ny fandraisan’andraikitr’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny zokiolona any amin’ny faritra tsirairay. Tokony […]





