Fiaraha-monina

Boulevard  Ratsimilaho, “Mila hanaovana fomban-drazana”, hoy i Sabotsy Albert

Raha hatambatra hatramin’ny taon-dasa, efa nihoatra ny folo ny trangana lozam-pifamoivoizana tamin’iny Bou­levard Ratsimilaho iny hatramin’ny fahavitan’ny fanarenana azy. Ankoatra ny lozam-pifamoivoizna tsy nahy, efa nitrangana famonoan-tena ihany koa io lalana vaovao io. Tovovavy iray, ohatra, no sahy nitsoraka tao ambany fiara sendra mandalo. Amin’ny ankapobeny, malalaka ny lalana ary […]

Toetry ny andro an-dranomasina: hahery ny alondrano anatin’ny roa andro

Tombanana hitoetra hatrany ny alondrano avy any atsimo andrefana, ato anatin’ny roa andro manaraka. Hikorontana, araka izany, ny toetry ny andro any an-dranomasina, ho an’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsinanan’ny Nosy, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hahery ny ranomasina amin’ny ankapobeny, ka tombanana […]

Fitantanana ny loza anaty hamehana: niofana ny mpiasan’ny BNGRC miisa 35

35 mianadahy niofana mom­ba ny fandrindrana sy ny fitantanana ny loza rehefa misy hamehana. Dimy amin’ireo tale sy lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny BNG RC nifototra tamin’ny fiofanana ho mpanofana (formation des formateurs), ny 30 kosa mpiasa tsotra, Traikefa mila ananana ao anatin’ny fanatanterahana ny asa atrehin’ny Birao nasionaly misahana ny […]

Tarika Fangia Kalo Gasy: haneho an-kira ny kanto malagasy

Raikitra! Ny sabotsy 17 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Mala­gasy, etsy amin’ny tohatoha­baton’Antaninarenina, ny fampisehoana hiarahana amin’ny tarika Fangia Kalo Gasy. Haneho an-kira ny kanto ma­lagasy izy ireo. Hitety vanim-potoana amin’ireo sangana­san’ny tarika manokana. Faharoa, hihira ireo kalon’ny fahiny na kalon’Imerina manana ny maha izy […]