Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Nitokana ny EPP Analamboanio, Dren Atsina­na­na, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ireo fotodrafitrasa niharan’ny fahasimbana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ity sekoly ity. Ny fiaraha-miasa tamin’ny Rotary Club ao Toamasina sy ny fanohanana tamin’ny alalan’ny tetikasa Talim no nahatanteraka ny asa fanarenana. Ny 7 oktobra ho avy […]

Fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa : « Zava-dehibe ny soro-doza », hoy ny ESIA

Nikarakara dinidinika arahina adihevitra mahakasika ny fahasalamana sy ny soro-doza amin’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa ny Ivontoerana misahana ny fahasalaman’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, Espace sanitaire interentreprise d’Antananarivo (ESIA), ny faran’ny herinandro teo, teny Antsahabe. Andrai­kitra voalohany ho an’ny ESIA izany ary tsy mijanona ho dinika fotsiny fa hisy […]

Iray volan’ny alzheimer: Nofaranana tamin’ny fitiliana

Nikarakara fitiliana maimaimpoana ho an’ireo zokiolona mpikambana ao amin’ny Firaisamben’ny zokiolona eto Madagasikara (Fizoma) ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro mody, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hisoroka ny aretina samihafa (diabeta, fiakaran’ny tosidra, fahaverezan’ny fitadidiana…) sy ny fanentanana hanatsarana ny toe-piainan’ny zokiolona sy ny fianakaviany. Mbola ny faran’ny herinandro teo […]

Secam – Miantso ny fitondrana handray andraikitra : “Misy misandoka ny asan’ny sekoly mampianatra mamily fiara”

Nanao antso ho an’ny fitondrana sy ny prestataire misahana ny fanomezana ny permis biometrique ny fikambanan’ny ivontoerana fampianarana mamily fiarakodia manerana ny Nosy. Olana roa momba ny fahelan’ny fanomezana ilay permis biometrique sy ny fisandohana ny asan’ny autoécole no fototry ny antso. Manao antso amin’ny fitondram-panjakana ny fikambanan’ny ivon­­toerana fampianarana […]

INDRAY MIJERY

Mikarakara fihaonambe nasionaly voalohany momba ny asa an-tsoroka, ny 6 hatramin’ny 8 oktobra ho avy izao izao ny BNGRC. Hiarahana amin’ny Pam/WFP sy ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny Vondrona teknika momba ny asa an-tsoroka (GTAA) izay hampivondrona ireo mpisehatra nasionaly sy iraisam-pirenena izany. Tanjona ny hamolavola sori-dalana nasionaly momba ny asa […]