Fiaraha-monina

Nanolotra vary 5 000 t ny Indianina : Olona 2 tapitrisa mahery miaina krizy ara-tsakafo

Nanolotra vary milanja 5000 taonina ny vahoaka sy ny governemanta indianina ho tohana ho an’ireo Malagasy traboina vokatry ny rivodoza sy ny haintany miseho eto Madagasikara. Man­ka­laza ny faha-80 taonan’ny fahaleovantenany i Inde ka anisan’ny manamarika izany ny fanampiana ny mpiara-belo­na. Naheno ny antso nataon’ny fanjakana malagasy rahateo izy ireo […]

Sekolin’ny Etamazaoro : Manamboninahitra nahavita fiofanana

Notontosaina ny zoma lasa teo, tao amin’ny Cercle Mess Soanierana, ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana nahavita fiofanana tao amin’ny sekolin’ny Etamazaoron’ireo Tafika (EEM). Nahitana manamboninahitra ambony miisa 15 izany andiany faha-32 izany. Nisy koa ireo mpiofana avy ao amin’ny ivontoerana fanitaram-pahaizana ho an’ny manamboninahitra, nahitana ny andiany […]

INDRAY MIJERY

Olona 52 no nisitraka fandidiana molotra sy lanilany maimaimpoana tao amin’ny HJRA tamin’ity herinandro ity. Fiaraha-miasan’ny hopitaly tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy ny mpiara-miombon’antoka no nahafahana nanao ny hetsika. Mampiova ny fiainan’ny olona ary mitondra fanantenana vaovao ho azy ireo ny fahavitan’ny fandidiana. Tombanana ho mafy ny fitsokan’ny rivotra eo anelanelan’i […]

Tetikasa MYSET : Tanora 120 000 isa hofanina arakasa

Maika ny asa fanavaozana ny fampianarana teknika. Omaly, nisy ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (METFP) sy ny Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP). Nifantoka tamin’ny tetikasa Myset ny dinika. Izany dia mikendry fanofanana tanora miisa 120 000 ao anatin’ny dimy taona, amin’ny sehatrasa 50 […]