Miara-miasa akaiky amin’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Atsinanana ny orinasa Ambatovy hanatsarana ny fari-piainan’ireo mpanjono ao Toamasina, amin’ny alalan’ny tetikasa “Blue economy”. Miroso ny tetikasa ary efa nahitam-bokatra satria mpanjono 400 mahery nahazo karatra maha matihanina, vondrona mpanjono dimy nomena taratasy vonjimaika milaza ny maha ara-dalàna azy […]
Fiaraha-monina
Sekoly mampiaty ny Akama 67ha: miara-mianatra ny ankizy maheno sy marenina
Tao anatin’ny taom-pianarana dimy no nampiharan’ny sekoly mandray ny ankizy marenina eny 67ha tsikelikely ny fanabeazana mampiaty. Raisin’ny tomponandraikitra hianatra miaraka amin’ireo mpianatra marenina ireo ankizy mahare, raha ny mifanohitra amin’izay no niseho taloha. « Ankehitriny, sekoly mampiaty ny Akanin’ny marenina, rehefa nahatsapa ny vokatsoa nentiny ho an’ny mpianatra roa tonta », […]
Hafatry ny eveka: mitsipaka ny famosirana
Anisan’ny nisongadina tamin’ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) ny tsy fanekena ny famosirana ireo mpanolana. Nentin’izy ireo ny hevitry ny fiangonana manoloana io lalàna io. Ekena fa heloka bevava ny fanolanana ka helohin’ny fiangonana izany, araka ny hafatra. Miombom-po sy mankahery ireo niharan’ny fanolanana izy ireo ary mitaky ny hiahiana […]
Hamongorana ny lefakozatra : hitety sekoly ny mpanao vaksiny
Nomarihin’ny solontenan’ny OMS, izay nisolo tena ny Imep sy ireo mpiray ombon’antoka eto Madagasikara, fa tato anatin’ny fito volana, tsy nisy ny trangana lefakozatra manerana ny Nosy. Miroso ny ezaka hamongorana ity aretina ity. Tanterahina manerana an’i Madagasikara, nanomboka omaly hatramin’ny zoma ho avy izao, ny hetsika vaksiny faobe fanefitry […]
INDRAY MIJERY
Hamaritra ny toetr’andro eto Madagasikara ny varatraza malefaka. Mety mbola hahazo orana malefaka ny morontsiraka afovoany atsinanana sy ny morontsiraka avaratra atsinanana. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Toamasina sy ny tanjona Bobaomby ary ny eo anelanelan’i Morombe sy Vangaindrano hitandrina. Misy ny filazana fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano. Tafiditra […]