Fiaraha-monina

Fanimbazimbana ny aina sy ny marary: Manambatra feo ireo holafitra amin’ny sehatry ny fahasalamana

Nanao fanambarana iombonana ireo holafitra amin’ny sehatry ny fahasalamana, omaly, teny Nanisana. Miombom-peo izy ireo amin’ny fanoherana ny herisetra atao eny amin’ny tobim-pahasalamana sy hopitaly. Nahitana ny filohan’ny Holafitry ny farmasianina, ny mpampivelona, ny mpitsabo nify sy ativava, ny dokotera ary ny infirmiera ireo nanao fanambarana, omaly. “Manoloana ny raharaha […]

Safe space : Hanomezana torohevitra amin’ny fandrindram-piterahana

“Ankoatra ny fanentanana ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana ho an’ny zatovovavy momba ny fananahana ara-pahasalamana, napetraka iha­ny koa ny toerana manokana ahazoan’ny zatovovavy mi­resaka mivantana (safe spa­ce) amin’ny mpitsabo, nandritra ny forum. Raisina ao ireo ankizivavy manana hetaheta manokana na mila torohevita sy fanazavana momba ny fahasalamany. Ankoatra ny fandraisana an-tanana ireo […]

Hahatongavana amin’ny tanjona : Harovana amin’ny vohoka tsy irina sy ny herisetra ny zatovovavy

Tanora voaaro amin’ny vohoka tsy irina sy ny herisetra, tonga amin’ny tanjona iriany no antony nametrahana ny sehatra ho an’ny zatovovavy (15-17 taona) tany Vondrozo, niarahan’ny Unicef sy ny minisitera enina. Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny zatovovavy sy ny ankizivavy, anio. Andro hampivoarana ny zony amin’ny sehatra maro, toy ny […]

INDRAY MIJERY

Tanterahina amin’ity herinandro ity, mane­rana ireo Dren 23, ny atrikasa fampahafantarana sy fifanakalozana momba ny tetikasa manohana ny fizakan-tenan’ny ankizivavy sy ny vehivavy “Eager”. Tan­jona ny hanatsarana ny fari-pahaizana sy ny fidiram-bolan’izy ireo. Mbola hisy ny fitsirihana sy fisafidianana ireo zatovovavy hisitraka ny tohana fampianarana sy ireo vehivavy 18 hatramin’ny […]

Mpiasan’ny fahasalamana vonon-kiasa: Tsy tokony henjehina ireo tsy mitovy hevitra

Niombom-peo, omaly, tetsy amin’ny HJRA, ireo mpiasan’ ny fahasalamana am-perinasa tsy manaiky voarebirebin’ny resaka politika fa manao ho zava-dehibe ny asa fitsabo­ana. Nahitana dokotera, mpam­pivelona, infirmiera, dokotera farmasianina, mpandraha­raha, mpitantana, dentiste ary teknisianina ara-pahasala­mana ireo nanao fanambarana. “Zo fototra ny mitaky sy maneho hevitra, saingy atao am-panajana izany”, hoy ny […]