Ahitana tangoron-drahona arahi-maso akaiky ao amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Madagasikara. Heverina ny hitomboan’izany hery, amin’ity herinandro ity, raha ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Tsy mbola hanambana an’i Madagasikara kosa anefa izany ao anatin’ny 3 andro ho avy, hoy hatrany ny Meteo. Na dia efa aty amin’ny […]
Fiaraha-monina
Hiatrehina ny loza voajanahary eto Antananarivo: mila havaozina ny paikady fa miha betsaka ny toerana marefo
Mamparefo ny tanàna mandritra ny loza voajanahary ireo fotodrafitrasa tsy voahevitra eto Antananarivo Renivohitra. Mila fanavaozana, araka izany, ny paikady fitantanana ny loza. Manoloana ny fitomboan’ny mponina mihoapampana an-tanàn-dehibe dia mila paikady ny fitantanana ny loza. Anisan’ izany ny eto Antananarivo Renivohitra, hoy ny BNGRC. Nanatanteraka atrikasa, araka izany, ny […]
Fampandrosoana firenena : Ilaina fantatra ny asa hatao aorian’ ny fianarana
Nanome torohevitra sy fahalalana bebe kokoa ho an’ny mpianatra ny ONG sy ny sekoly tsy miankina iray eto an-dRenivohitra, omaly, tetsy Antaninarenina. Nisitraka izany ireo mpianatra taona voalohany eo anivon’ny Intsitut Universitaire de Madagascar (IUM). Izy ireo izay manaraka ny lalam-piofanana fitantanana sy tontolon’ny varotra. Tanjona ny hanovana toe-tsaina eo […]
Fianarana any Etazonia: mila faharetana ny fitadiavana oniversite
Nampahafantatra ny dingana rehetra tokony harahina ny Education USA amin’ny hanohizana fianarana any Etazonia. Anisan’izany ireo voambolana matetika hita rehefa hanomboka hitady oniversite. Mila fantatra ny rafi-pampianarana any Etazonia, ny karazana sekoly tiana hianarana sy ny diplaoma tiana ho azo. Misy ny karazana oniversite manome fampiofanana 2 taona. Manomana ny […]
Kianja Barea: Vita ny asa manaraka ny fepetra notakin’ny Caf
Haingana ny asa ary manara-penitra. Vita tanteraka ny asa rehetra nanavaozana ny kianja Barea Mahamasina hifanaraka amin’ny fepetra takin’ny Caf. Afaka mandray lalao iraisam-pirenena ny kianja. Nampahafantatra ny sekreteram-panjakana miadidy ny trano fonenana sy ny tanàna vaovao (SENVH) fa vita ny asa vaovao fanampiny, manaja ny fepetra takin’ny Caf handraisana […]