Efa manomboka misokatra ireo tranombarotra lehibe sisa tsy voaroba, miezaka manome fahafaham-po ireo mpanjifa ao aminy. Ireo tranombarotra simba vokatry ny fanafihana sy fandrobana kosa dia mbola tsy maintsy mikatona ary miezaka mamerina azy ireny amin’ny laonininy ny tompony. Maro ireo caddies sy harona fiantsenana very teny amin’ireo tranombarotra voaroba. […]
Fiaraha-monina
Sekoly tsy miankina : Mianatra tapakandro ny kilasy manomana fanadinana
Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, tao anatin’ny herinandro, niezaka nihaona tamin’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny mpitantana ny Vovonan’ny fiombonamben’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara fa tsy mbola tanteraka. Tsy maintsy nandroso vahaolana anefa izy ireo momba ny fizotry ny fampianarana amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny. Fepetra noraisina, […]
Ho fiarovana ny eny amin’ny fokontany : Niverina ny andrimasom-pokonolona
Ho fiarovana ny tanàna onenana sy ny mponina rehetra ao aminy, niverina indray ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona isaky ny kartie eto Antananarivo sy ny manodidina taorian’ny trangana fandrobana ny alin’ny alakamisy 25 septambra lasa teo. Tara-kevitra avy amin’ny mpiray fokontany no nananganana ireo kaomity hisahana ny fandriampahalemana. Nisy ny fivoriambe […]
Foiben’ny skoto maneran-tany: Nankahery ny eto Madagasikara manoloana ny korontana
Manohana ny skoto, sampana eto Madagasikara ny avy amin’ny foibe maneran-tany. Miara-miatrika ny krizy amin’ny Firaisan’ny skotisma eto Madagasikara (FSM) izy ireo. Manoloana ny fikorontanan’ny firenena, nitondra hafatra sy fankaherezana ho an’ny skoto eto Madagasikara ny tonian’ny Foibe skoto maneran-tany, David Berg, sy ny talen’ny foibe skoto eto Afrika, Frédéric […]
INDRAY MIJERY
Misy fiantraikany mivantana amin’ny famatsiana ny tsenam-pokontany ny savorovo miseho amin’izao fotoana. Betsaka ny entana na sakafo tsy hita eny amin’ny toeram-pivarotana samihafa ka mampiakatra ny vidiny ireo mpivarotra manana izany. Fihetsika hita taratra ny fanararaotana rehefa ao anatin’ny tsy filaminana tahaka izao. Mitaintaina ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany […]





