Hanatsarana ny tamberin’andraikitra sy ny fahombiazan’ny governemanta, hampihenana ny olana politika miverimberina no nametrahana ny fandaharanasa Rindra. Mitentina 23 000 dolara ny fampitaovana ny toeram-panofanana, ahitana ordinatera 25 sy ny kojakoja samihafa miaraka amin’ny « vidéo-projécteur », « écran de projéction » ho an’ny ivontoeram-panofanana ny mpiasam-panjakana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana (INFA). Tohana avy […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Anio hatramin’ny 3 mey izao ny fanamarihana ny andron’ny sekoly FJKM, izay hatao eny Ambohimalaza. “Miorena tsara, aza miova”. Io no lohahevitra voizina mandritra ny hetsika. Fifaninanana ara-kolon-tsaina sy ara-panatanjahantena ary ara-tSoratra Masina no hanamarihana izany. Notokanan’ny Filoham-pirenena ny ivontoerana hanarenana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahasalamana na CRNM ao […]
Toetr’andro: arahi-maso ny fivoaran’ilay faritra andro ratsy
Tombanana hikisaka miadana mianatsimo na atsimo andrefana ato anatin’ny 2 andro manaraka, ary mety hitombo hery tsikelikely ho lasa andro ratsy ilay tangoron-drahona ao avaratr’i Madagasikara. Io no nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Mbola sarotra ny vinavina lavitr’ezaka ny mety hivadihany ho rivodoza. Na dia misy fihenana […]
Lozam-pifamoivoizana – RN1 : raisin’ny fanjakana ny fitsaboana ireo naratra
Miara-misalahy amin’ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ireo mpianatra sy ray aman-dreny tra-doza tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Ambatofolaka RN1, ny herinandro teo, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Raisina an-tanana manontolo ny fitsaboana ireo naratra, ary nisy antoka (assurances) avokoa ireo mpandeha raha ny fanazavana nomen’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ny Dren […]
Fahasalamana any Anôsy: notokanana ny CSB2 ao Ranopiso
Andry ifaharan’ny fampandrosoana ny fahasalamana izay miantoka ny fitsimbinana indrindra ny maha olona. Izany indrindra no antony nananganana ny CSB2 any amin’ny faritra alavitra andriana, toy ny ao Ranopiso, Anôsy. Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo, ny CSB2 vaovao ao amin’ny kaominina Ranopiso, ao amin’ny faritra Anôsy. Tafiditra […]