Manatanteraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana eny amin’ny hopitaly Mahitsy ny Sinoa misionera dokotera, omaly sy anio, izay tarihin’ny lehibeny, Li Xing Xiang. Fizaham-pahasalamana misokatra ho an’ny rehetra ary fizarana fanafody mifandraika amin’ny aretina no hatao mandritra ny roa andro. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taona niasan’ny misionera sinoa teto Madagasikara […]
Fiaraha-monina
Hamerana ny fahasimban’ny farihin’Itasy : Natsangana ny rafitra hisahana ny fitantanana mirindra
Natsangana ny taona 2019 ny rafitra hitantana ny farihin’Itasy (Cogeli) hisahana ny fitantanana mirindra ny tahirin-drano avy amin’ny tari-kevitry ny tomponandraikitry ny faritra Itasy fa tohanan’ny faritra Nouvelle Aquitaine (Frantsa). Tafiditra ao daholo ny mpisehatra rehetra ary rafitra mikaondoha ahitana ny olona ety ifotony mpampiasa ny rano, mpanimba sy afaka […]
INDRAY MIJERY
Tanterahina any Taolagnaro, manomboka anio hatramin’ny 20 aogositra izao, ny synaoda lehiben’ny FJKM. Nitsidika amin’ny fomba fifanajana ny governoran’ny faritra Anôsy, Voahary Rakotovelomanantsoa, ny filohan’ny FJKM sy ireo delegasionina miara-miasa aminy. Naneho ny hatezerany ny Seces nasionaly taorian’ny fanehoan-kevitra nataon’ny tomponandraiki-panjakana ambony iray nanivaiva ny lentan’ny profesora malagasy. Fanimbana sy […]
Conseil international des infirmières : Mpikambana faha-141 ny Conim Madagasikara
Niditra ho mpikambana faha-141 eo anivon’ny Filankevitra iraisam-pirenen’ny infirmier (Conseil international des infirmières- CII) ny filankevitry ny holafitra nasionalin’ny infirmier eto Madagasikara (Conim). Fanambarana ofisialy nataon’ny CII io, tamin’ny alalan’ny filohany, José Luis Cobos Serrano. Ivondronan’ ny fikambanana infirmier lahy sy vavy maneran-tany ny CII. Izy ireo izay manana tarigetra […]
Faritra Boeny: Velom-panantenana ny vehivavy
Mitohy any amin’ny faritra Boeny ny fanohanana ny fikambanam-behivavy izay tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Nomena tantsoroka ara-bola mitentina 23 800 000 Ar ireo fikambanam-behivavy miisa 12 naneho fahavononana hanangana tetikasa mitondra amin’ny fizakan-tena ara-pivelomana. Mifototra amin’ny asa tanana, toy ny zaitra sy rary, ny fahaizana mahandro ary fanodinana voankazo ny tetikasa […]




