Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Nofanina momba ny fanamboarana kiraro ireo tanora 56 ao Mahajanga. Notolorana mari-piofanana izy ireo ho mariky ny fahaiza-manao sy ny ezaka vitany ary hahafahany misehatra avy hatrany amin’ny asa ho anto-pivelomany. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny asa tanana, ka hanokatra varavarana vaovao ho an’ireo mpiofana amin’ny […]

Fampianarana : Miofana ireo mpanombana bokin’ny mpianatra

Iankinan’ny fampianarana any an-dakilasy ary miantoka ny fivelaran’ny ankizy ny boky ampiasaina any an-tsekoly. Saro-pady ka mila lanjalan­jaina tsara ireo karazana boky ampiasaina na vakian’ny an­kizy sy hanomezam-pahala­lana azy ireo, araka izany. Toraka izany ny boky fampianarana ampiasain’ny mpam­pianatra hampitana fahala­lana. Noho izany indrindra no anaovana ny fanofanana ireo mpanombana […]

Faritra Atsinanana : Hamafisina ny fahaizana miatrika loza

Anjaran’ny faritra Atsinanana indray no omena ny toromarika amin’ny fanamafisana ny fahaizana miatrika ny karazana loza voajanahary. Raha ny antontanisa, 61 ireo tranga na sehona andro ratsy toy ny rivodoza sy tondradrano teto Madagasikara, tato anatin’ny 10 taona farany. Nahakasika ny faritra Atsinanana avokoa ny 22 tamin’ireo. 800 ny olona […]

Mpiasan’ny fahasalamana : Mila manaraka fandaminana, tokony hanana fijery miabo

Manoloana ny fifandroritana eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana manao ankolafy, mitondra fanazavana ny avy amin’ny Fiombonan’ny mpiasan’ny fahasalamana Mijoro, izay ahitana mpitsabo sy paramedy ary mpandraharaha. Nolazain’ny Fiombonan’ ny mpiasan’ny fahasalamana fa tsy tokony hodian-tsy hita ny zava-bita amin’ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana izay miorina manerana ny Nosy, toy ny CSB sy ny […]

Fitaizana zaza kambotin’ny Tafika : Nitondra ny anjara birikiny ny Tafika an-tanety

Tonga teny amin’ny Eta­mazaoron’ireo Tafika An­dohalo ny solontena avy eny amin’ny Etama­zaoron’ny Tafika an-tanety, notarihin’ny jeneraly Pikulas Démosthène, Mazaoro jeneralin’ny Tafika an-tanety, ny herinandro lasa teo. Nanolotra lelavola ho fandraisana anjara amin’ny fananganana ny tambohon’ny Ivon­toerana fitaizana zaza kambotin’ny Tafika any Antsahasoa Pagode zy ireo. Nandray izany ny amiraly Ga […]