Fiaraha-monina

Teleferika : Misokatra ny fiantsoana mpiasa

Namoaka fiantsoana malalaka ho an’ireo maniry handra­fitra ny orinasa hitantana ny fotodrafitrasam-pitaterana vaovao teleferika ny fanjakana malagasy. Voakasik’izany ny lafiny fitantanana, ny fandrindrana teknika ary ny fampiroboroboana ny lafiny ara-barotra. Misokatra hatramin’ny alatsinainy 04 oktobra ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo olona rehetra liana amin’ izany ary misy ny fepetra […]

MEN – FCRA : Nahazo sekoly manara-penitra ny fokontany Ambohitrinibe Andakana

Nahazo sekoly manara-penitra ny mpianatra ao amin’ny fokontany Am­bohitrinibe Andakana, kaominina Anosiala, disitrikan’Am­bohidratrimo. Tontosa omaly, tany an-toerana, ny lanonam-pitokanana ny sekoly fanabeazana fototra ” La Sagesse Universelle “. Fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no nahafahafana nanatanteraka ny fotodrafitrasa. Angady nananana sy vy nahitana ny sekoly ny […]

FJKM Ambavahaditokana: Horaisin-tanana ny Mpitandrina mianakavy

Hotanterahina ny alarobia 24 septambra izao, ny fifandraisan-tanana eo amin’ny Mpitandrina Andrianarivo Solondraibe mianakavy sy ny fiangonana FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy. « … Satria irak’i Jehovah, tompon’ny maro, izy », Malakia 2: 7. Io ny teny faneva nosafidiana ho amin’izany fotoan-dehibe izany. Ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA10) no mitarika ny fotoana rehetra […]

Fanapotehana fotodrafitrasa tao Ste Marie : Voaheloka sazy mihantona 5 taona ny Sinoa iray sy Malagasy iray

Taorian’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso ny 19 aogositra teo, tao amin’ny Sampam-pitsarana ambaratonga voalohany Ste Marie, ny faha-9 septambra teo vao nivoaka ny didy momban’ireo teratany Sinoa roa lahy sy Malagasy dimy. Nosamborina noho ny fa­nimbana fotodrafitrasa izay vao notokanan’ny Filohan’ny Repoblika ny  tapaky ny volana jolay lasa teo, izy ireo. Vokany, […]

INDRAY MIJERY

Manoloana ny voina niseho tany Mananjary, misy ireo malala-tanana tonga nanolotra fanampiana eny amin’ ny BNGRC izay mitantana ny fitsinjarana ireo fanam­piana araka ny tokony ho izy. Nisy ny fikambanana tanora nanolo-tanana nanome lelavola. Ao koa ny olon-tsotra manolotra vary 5 gony… Notanterahina tao amin’ny BAEC Ankadivato ny atrikasa fanavaozana […]