Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana sy arakasa ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, tao amin’ny toeram-piasany Andohalo, omaly ireo manamboninahitra miasa eo anivon’ny masoivohon’i Inde. Nitarika izany ny Kly Devashish Dikshit, sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Voaresaka tamin’izany ny fanatsarana ny fifandraisana ara-tafika misy eo amin’ny roa tonta […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Feno fanahiana ny mpianatra sy ny mpiasa manodidina an’Analakely noho ny fisian’ny fitakiana ho ataon’ny olona tofoka amin’ny delestazy eny an-toerana, anio. Hatramin’ny ora farany omaly, tsy nilaza ny tomponandraikitry ny sekolim-panjakana ny amin’ny fampitsaharana ny fampianarana. Ny sekoly tsy miankina kosa dia efa nanafatra ny mpianany tsy hianatra aloha. […]
Bongolava : Nahasarika olona maro ny “Fijery Hafa”
Anjaran’ny faritra Bongolava indray no misitraka ny “Fijery Hafa” izay tetikasam-panofanana mora raisina sy azo hampiharina avy hatrany, tanterahin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nomena tombony ny fikambanan’ny sembana sy ny sakaizany (FSSB) tamin’ity, tao Bongolava. Nampiofanina izy ireo tamin’ny fanamboarana arina fandrehitra sy famokarana tsakitsaky vita amin’ny […]
Fahasalamana: Manomboka ny tetikasa Wish II
Tetikasa mifantoka amin’ny zo sy ny tolotra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny « Wish II ». Mikendry indrindra ny vehivavy, ny zatovo sy ny tanora, ny olona manana fahasembanana ary ny olona marefo ny hetsika. Distrika maromaro ao amin’ny faritra Itasy no hisitraka ny tetikasa ka anisan’izany […]
Tsarasaotra secteur 9 : Hanafaka ny delestazy ny « Parc Solaire 100 MWc »
Nampahafantatra ny fizotran’ny tetikasa Parc Solaire etsy Tsarasaotra Ivato ny avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, omaly, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Rano. Midadasika ny tetikasa Parc Solaire etsy Tsarasaotra ary heverina fa hitondra vahaolana amin’ny vesatry ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina ny fahavitan’izany aoriana ao. […]





