Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Nifampiarahaba ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Syndpers), ny faran’ny herinandro teo. Nanama­rihana ny fiarahamonina mirindra ihany koa ny fihaonana. Tanjona ny hisian’ny firaisankina sy hampandroso miaraka ny firenena. Manoloana ny loza voajanahary mateti-pitranga any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany dia nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny […]

Moramanga : tafapetraka ny oniversite vaovao

Tombony ho an’ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana ambony ao amin’ny distrikan’i Moramanga ny nametrahana ny oniversite vaovao amin’ny kaominina Ambanivo­hitr’Ambohibary. Napetraka ny faran’ny herinandro teo izany. Mifandray amin’ny oniversiten’i Toamasina ity vao na­tsangana ao Moramanga ity. Misy sampam-pampianarana momba ny tontolo iainana, dokotera ary anthropolojia ao Moramanga. Nampahafan­tarina nandritra ny […]

Morondava: hofanina ireo voafonja

Nitsidika ny fonjaben’i Morondava ny minisitry ny Fitsa­rana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny faran’ny herinandro teo. Vehivavy ny 33, lehilahy ny 612 ary ankizy tsy ampy taona ny 6 amin’ireo mifonja ao an-toerana. Fano­mezan-danja ny maha olona, izay andry voalohan’ny Politi­kam-panjakana ankehitriny no atao. Ao anatin’izany ny fandraharahana ny fonja, dia […]

Faritra Diana sy Sava: tobim-pahasalamana 25, sakaizan’ny Wash

Natao tany Nosy Be ny fankasitrahana ireo tobim-pahasalamana mendrika amin’ny sehatry ny fahadiovana sy fidiovana. Nandalo dingana maro izy ireo nahazoana izany fahamendrehana izany. Nisongadina ireo tobim-pahasalamana 25 (9 ao amin’ny Faritra Sava ary 16 ao amin’ny faritra Diana) manaraka ny fepetra ara-pahadiovana. Nizarana mari-pamantarana izy ireo ny faran’ny herinandro teo satria voasokajy […]