Fiaraha-monina

Fidiran’ny mpianatra : Mila ampitomboina ny fahamailoana

Ao anatin’ny fiverenan’ny mpianatra an-tsekoly isika izao. Fotoana maha betsaka ny fivezivezena indrindra ny ankizy sy tanora. Mila mampitombo fahamailoana eny an-dalana ary manome torohevitra amin’ny aro lozan’ny fifamovoizana ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Ireo ray aman-dreny fa indrindra ireo mpanampy manatitra sy mpaka mpianatra dia tokony hitantana ny […]

Taom-pianarana vaovao : Efa niditra an-tsekoly ny 90% ny mpianatra

Nosantarina ny fiandohan’ny herinandro teo ny taom-pianarana 2025-2026, haharitra hatramin’ny 24 novambra ny roa volana voalohany. Hiroso amin’ny fiatoana kely izany ny 25 novambra ka hatramin’ny 2 desambra ho avy izao. Raha ny EPP eto Antananarivo, 90% ny tahan’ny fidirana any an-tsekoly, ho an’ireo mpianatra tokony ho any an-dakilasy. Samy […]

Famarinana olona: Miofana ireo misahana ny habakabaka

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly tamin’ny 09 ora, tao amin’ny fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny fampiofanana mitohy eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka (DRFC) Antanimora, ny fiofanana hiadiana amin’ny famarinana olona sy fanararaotana ara-nofo amin’ny ankizy. Nisitraka izany ireo mpiasan’ny Sampandraharaha misahana ny habakabaka sy ny sisintany izay miisa 20. Lehilahy […]

INDRAY MIJERY

Handrafitra ny mety ho toetry ny andro amin’ity fiandohana sy ny faran’ny herinandro ity ny tsiokan’ny alizay malefaka. Hahazo vahana kosa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Manodidina ny 5-24 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 18-37 °C ny tolakandro. Mila mitandrina amin’ny fiovaovan’ny maripana. Mangatsiaka ny maraina sy ny […]

Mpiasam-panjakana : Isaina ireo mpandray fisotroan-dronono

Manomboka amin’ity herinandro ity ny fanisana faobe ireo mpiasam-panjakana mandray vola fisotroan-dronono amin’ny alalan’ny taratasim-bola. Ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny karama sy ny fisotroan-dronono, no mi­karakara ny fanisana. Raha ny fanisana teo alo­ha, mahatratra 144 125 ireo mpiasam-panjakana misotro ronono manerana ny Nosy. Mi­isa […]