Tamin’ity herinandro ity, nidina ifotony teny amin’ny sampandraharaha misahana ny vatsim-pianarana any ivelany (SBex), teny Ankadifotsy, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Nijery akaiky ny fomba fahazoana vatsim-pianarana any ivelany sy nitondra fanazavana momba izany amin’ireo ray aman-dreny sy mpianatra ny tenany. Niresaka mivantana […]
Fiaraha-monina
Taom-pambolena 2025-2026 : Volavolaina ny tetiandro
Natao omaly, teny Ampandrianomby, ny fivorian’ny mpisehatra rehetra amin’ny famolavolana ny tetiandrom-pambolena 2025-2026. Tanjona ny hahafahana mamaritra ny dingana amin’ny famolavolana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy izany. Fitaovana hanampy ny tantsaha amin’ny fandaminana tsara ny asa fambolena ny fisian’izy io, mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny fivoaran’ny toetr’andro. Hitondra fanatsarana ny […]
Miova endrika ny tanànan’Antalaha : Mandray an-tanana ny fampivoarana izany ny JCA
Mifanome tanana ny tanora matihanina ao Antalaha, izay samy miantsehatra amin’ny maha izy azy avy ka nitondra fampivoarana ny tanàna. Mamirapiratra ny fahadiovana sy ny mari-pamantarana eny an’arabe taorian’ny fanavaozana. Nitondra endrika fanatsarana ny tanànan’Antalaha ireo tanora sangany ao an-toerana, na JCA. Namiratra ny tanàna ary nohavaozina ireo taklelaby famantarana […]
INDRAY MIJERY
Nandray ny solontenan’ny Fonds malgache de formation professionnelle (FMFP) tarihin’ny tale jeneraliny, Andriambololona Pierre Raoelina, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra eo amin’ny fanofanana arakasa sy ny fananganana paikady vaovao hamaliana ny tinady mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa. […]
Aretina alzheimer : Ilaina ny fanaovana fitiliana ireo hambana
Manatanteraka fitiliana maimaimpoana ny aretina alzheimer ny fikambanana Masoandro Mody eny Mahazoarivo, ny sabotsy 20 septambra. Tsy natao ho an’ny zokiolona irery fa ho an’ny rehetra maniry hisoroka ny tranga mandrisika ny fitiliana. Misy ny fitiliana ny fitadidiana, tosidra, diabeta, IMC… Hahazo torolalana amin’ny dingana tokony atao raha sendra misy […]





