Fiaraha-monina

Finoana silamo: Nangata-pitahiana ho an’ny firenena

Mbola ao anatin’ny volana masina tanteraka ny ao amin’ny Fikambanana silamo malagasy. Izany indrindra no nanaovan’izy ireo ny vavaka fangataham-pitahiana ho an’ny firenena, tao amin’ny moskea Palestine, 67 Ha. Ho fampisehoana ny fananan’ny Malagasy andraikitra amin’ny fampivoarana sy filaminana eto amin’ny firenena ka hitarika ny vahoaka malagasy rehetra mba hijery […]

Tetikasa Tafa : Hahamatihanina ny asa ho an’ny tanora

Tanora manodidina ny 700 000 no miditra amin’ny sehatry ny asa isan-taona. Matetika tsy nandalo fiofanana sahaza ary tsy manana vinavinan’asa akory ny ankamaroany. Mikasa ny hanova izany zava-misy izany ny tetikasa Tafa. Vatsian’ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa sy ny asa ara-kolontsaina eo anivon’ny masoivoho frantsay ny fanatanterahana izany. Ny […]

Alasora: 20 taona ny polisy kaominaly

Nankalaza ny faha-20 taona nijoroany ny polisy kaominaly eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Alasora, distrika Avaradrano, omaly. Nomarihina tamin’ny lanonana ara-miaramila teny amin’ny Kianja maitso izany. 20 isa ireo polisy kaominaly miasa eny an-toerana. “Tsy ampy sy tsy tena mahasahana ny filan’ny vahoaka izy ireo satria efa mananika ny 70 000 […]

Vondron’orinasa Viséo : Manosika ny zatovovavy hiomana amin’ny asa

Manosika ny tanora avy amin’ny fianakaviana sahirana hianatra sy hiditra amin’ny sehatry ny asa ny vondron’orinasa Viséo. Mandray mpianatr’asa tsy tapaka izy ireo ary manome vahana ny zatovovavy amin’ny sampana Mécanique auto. Tao anatin’ny telo taona farany, ny 25% ny fandraisana mpiasa dia avy amin’ireo mpianatr’asa avokoa. Tafiditra ao anatin’ny […]

Mila fahamailoana: Saro-pady ny fikirakirana sakafo

Ho fisorohana mahomby, tena tandrovana toy ny anakandriamaso ny fahadiovana. Voakasik’izany ny vatana manontolon’ny mpikarakara na ny akanjo hanaovana… Eo koa ny kojakoja ampiasaina ao an-dakozia. Andrahoina tsara ny hena, ny atody sy ny trondro. Aza averina avaingana ireo sakafo efa natsonika “décongelé”. Ariana avy hatrany ireo boatin-tsakafo efa manomboka […]