Fiaraha-monina

Fiovan’ny toetr’andro : nampirongatra aretina 20 vaovao

Misy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fiovan’ny toetr’andro miseho eto amintsika. Nisehatra tamin’izay ny fandaharanasa PAGE /GIZ, efa nanomboka tamin’ny dingana voalohany. Nampahafantatra ny aretina enina mety hirongatra vokatr’izany izy ireo: ny tazo, pesta, fivalanana, aretina azo avy amin’ny fihinanana hazandranomasina, areti-tratra (IRA) ary ny tsy fanjarian-tsakafo, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry […]

Fampahafantarana ny voka-pikarohana : hanangana vovonana niomerika ny oniversitem-panjakana

Olana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fahafantarana ny voka-pikarohana mivoaka eny amin’ny oniversitem-panjakana. Hanampy betsaka izany ny fananganana ny vovonana niomerika. Nifarana omaly, tetsy Andrainarivo, ny atrikasa nataon’ireo mpisehatra amin’ny fikarohana eny anivon’ny Oniversiten’Antana­na­rivo. Tafiditra ao anatin’ny atrikasa ny hananganana sy ha­namboarana vovonana niomerika mahakasika ny fikarohana. “Tanjona ny hanamorana […]

INDRAY MIJERY

Tanjon’ny hetsika fanapariahana ny fandrindram-piterahana maoderina ny hampiakatra ny tahan’ny fampiasana azy io ho 60% hatramin’ny taona 2030, eto amintsika. Tao anatin’ny 100 andro, vehivavy 3 tapitrisa mahery no mampiasa tsy tapaka ny fomba maoderina. An’arivony ny mpiandraikitra tanora nahazo fiofanana ahazoan’izy ireo mizara ny fanentanana. Nandritra ny hateloana ny […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Manova ny fomba fiasa isika izao”

Napetraka, omaly, ny vatofototry ny trano lehibe fialofana handraisana ireo tra-doza “Abri communautaire à usages multiples – Acum”, ao Mananjary. Nanatanteraka iza­ny, tany an-toerana, ny Praiminisitra Ntsay Christian. “Miova ny fomba fiasantsika, eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny fiantohana ny ain’ny mponina sy ny fananany rehefa tonga ny […]

“Ny asako rahampitso” andiany faha-16: hitari-dalana mpianatra 5 833 hisafidy ny asa sahaza

Manokatra ny sain’ny mpianatra amin’ny fisafidianana ny sokajy rehefa hiakatra kilasy de 1ère “Ny asako rahampitso”. Hetsika entin’ireo mpisehatra amin’ny asa eto amintsika manomboka amin’ny alatsinainy, eny amin’ny lycée eto Antananarivo. Hiditra amin’ny andiany faha-16 ny hetsika “Ny asako ra­hampitso” iarahan’ny Rotary club Ainga sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mikarakara. “Fizarana […]