Fiaraha-monina

Toamasina : Vonona ny fotodrafitrasa handray ny SPSM

Mihatrana ny tanànan’i Toamasina handray ny fihaonamben’ny fikambanan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto Mada­gasikara (SPSM) manomboka ny 29 hatramin’ny 31 aogositra izao. Iray tsy mivaky ny mpiasan’ny fahasalamana itambaran’ny dokotera, paramédicaux sy mpandraharaha mampihodina ny tobim-pahasalamana, hoy ny tompon’andraikitra Andriam­bololoniaina Fidinirina Désire. Efa vonona ny fotodrafitrasa handraisana ny hetsika rehetra. Vonona ny […]

PAM-CUA ary BNGRC: Manamafy ny fahaizana sy ny fahavononana amin’ny vonjy taitra

Mampihena ny takaitra ny fananana fahaizana mamolavola izay miantoka ny fahavononana rehefa misy voina. Ilaina koa ny fanaovana fanazaran-tena. Tanterahina mandritra ny roa andro, eny Anko­rondrano, nifarana oma­ly, ny atrikasa fanamafisana ny fahaizana mamolavola sy miantoka ny fahavononana amin’ny vonjy taitra. Ny fandrindrana momba ny fanazaran-tena araka ny fomba fiasa […]

INDRAY MIJERY

“Rentrée Mifampitsinjo”, Hetsika iray maneho ny fifanampiana sy firaisankina hanamaivanana ny vesatra iainan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao izy ity. Hisitraka izany koa ireo faritra manerana ny Nosy. Hatao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 30 aogositra hatramin’ny 1 septambra ho avy izao, izany. Misitraka fihenam-bidy hatramin’ny 50% amin’ny […]

APIPA : Tsy mbola misy ny fahazoan-dalana hanototra tany

Mbola miato ny fanotofana tany (Remblai) eto amin’ny faritry ny lemak’Antananarivo, ary tsy mbola misy ny fanomezana fahazoan-dalana hanao izany, araka ny didim-panjakana lah faha-2022-241, ni­voaka ny 23 febroary 2022. Ny tetikasan’ny filoham-pirenena irery ihany hatreto no mahazo fahazoan-dalana. Io no nambaran’ny tomponandraikitry ny Apipa. Raha ivelan’ny tetikasam-panjakana izany ny […]

Lalambe migodana: Maro ny tsy fanarahan-dalàna hita

Tsy mbola mazava amin’ny mpampiasa lalana ny fifampifehezana anatin’ny lalambe migodana, miainga eny Tsarasaotra. Gaboraraka ny fampiasana azy io ka ahina hitera-doza raha tsy raisina haingana ny fepetra. Ny faran’ny herinandro teo, betsaka ireo fiara nivezivezy tamin’iny lalana iny, nijery ny zava-bita. Maro ny tsy fanarahan-dalàna hita, nandritra izany, toy […]