Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Tanjon’ny hetsika fanapariahana ny fandrindram-piterahana maoderina ny hampiakatra ny tahan’ny fampiasana azy io ho 60% hatramin’ny taona 2030, eto amintsika. Tao anatin’ny 100 andro, vehivavy 3 tapitrisa mahery no mampiasa tsy tapaka ny fomba maoderina. An’arivony ny mpiandraikitra tanora nahazo fiofanana ahazoan’izy ireo mizara ny fanentanana. Nandritra ny hateloana ny […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Manova ny fomba fiasa isika izao”

Napetraka, omaly, ny vatofototry ny trano lehibe fialofana handraisana ireo tra-doza “Abri communautaire à usages multiples – Acum”, ao Mananjary. Nanatanteraka iza­ny, tany an-toerana, ny Praiminisitra Ntsay Christian. “Miova ny fomba fiasantsika, eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny fiantohana ny ain’ny mponina sy ny fananany rehefa tonga ny […]

“Ny asako rahampitso” andiany faha-16: hitari-dalana mpianatra 5 833 hisafidy ny asa sahaza

Manokatra ny sain’ny mpianatra amin’ny fisafidianana ny sokajy rehefa hiakatra kilasy de 1ère “Ny asako rahampitso”. Hetsika entin’ireo mpisehatra amin’ny asa eto amintsika manomboka amin’ny alatsinainy, eny amin’ny lycée eto Antananarivo. Hiditra amin’ny andiany faha-16 ny hetsika “Ny asako ra­hampitso” iarahan’ny Rotary club Ainga sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mikarakara. “Fizarana […]

INDRAY MIJERY

Ny 80% ny tanora miisa 230 nanaraka fiofanana maimaimpoana momba ny Freelancing Web, ao anatin’ny fampiofanana faobe amin’ny “Métiers du web” tao Antsirabe, no hanangana avy hatrany ny orinasany. Fantatra io nandritra ny lanona famaranana ny hetsika, ny faran’ny herinandro lasa teo. Misy toerana 20 misandrahaka manerana ny Nosy ahazoana […]

Hitohy ao anatin’ny telo taona ny fiaraha-miasa

Nanao sonia fiaraha-miasa ho an’ny telo taona manaraka teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC, Andrainarivo, omaly, ny masoivoho frantsay sy ny minisiteran’ny Atitany. Ho fiarovana ny vahoaka amin’ny loza voajanahary samihafa (tondradrano, afo…) no votoatin’ny fiaraha-miasa. Nanome fitaovana informatika hanatsarana ny asan’ny Cervo eo anivon’ny BNGRC ny fanjakana frantsay, hanafainganana ny fahazoana […]