Tafiditra ao anatin’ny ezaka 100 andron’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra eny amin’ny oniversite. Nisantarana izany ny fanofanana ireo mpampianatra miisa 150 ao amin’ny faritra Itasy. Hitohy ny 24 febroary izao ny fiofanana ary faranana any Soavinandriana, ny 26 febroary. Tanjona ny hanatanteraka […]
Fiaraha-monina
Aretina androbe: tsy mifindra fa mila maharitra amin’ny fitsaboana
Antony maro no mety mahatonga ny androbe. Aretina tsy mifindra izy ireny ary mila tohana ny marary mandritra ny krizy tsy hahatsiarovany tena. Mandritra ny herinandro ny fanentanana momba ny aretina androbe, karakarain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mitondra fanazavana mahakasika ny aretina ny minisitera ary milaza fa tsy areti-mifindra ny androbe ary […]
Toamasina : mivonona handray ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy
18 andro mialohan’ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy isika izao. Efa somebiseby ny any Toamasina handray amin’ny fomba makotroka ny lanonam-pankalazana izay tarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Mialy. Nidina mivantana tany an-toerana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, ny faran’ny herinandro teo, nanao ny fandaminana niaraka tamin’ny lehiben’ny […]
Toetr’andro: andro ratsy 2 ao amin’ny ranomasimbe Indianina
Nahafeno fepetra ka nomena anarana Djoungou ilay rivodoza any amin’ny ranomasimbe Indianina. Mikisaka miatsinanana ary vinavinaina hitombo hery hatrany saingy tsy hahakasika an’i Madagasikara. Heverina hisy fiforonana rivodoza hafa ihany koa any amin’ ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy amin’ny fisasahan’ny herinandro. Nahitana fidinana misongadina ny tsindrin’ny habaka amin’ny faritra maro […]
Vokatry ny rotsakorana: olona 11 maty, 8 tsy hita popoka
Mivoatra isan’andro ny tatitra momba ny voka-dratsin’ny rotsakorana miseho eto amin’ny Nosy nanomboka ny 6 febroary lasa teo. Mitombo koa ny traboina. Niakatra ho 11 ny olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana niseho nanomboka ny 6 febroary teo ary mbola mitohy amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy ankehitriny, araka […]




