Fiaraha-monina

Bakalorea : 25 ny ankizy tsy tonga niatrika ny adina ara-panatanjahantena

Mahatonga tsy fahafahan’ny ankizy fanadinana bakalorea ny tsy fanatrehana ny adina ara-panatanjahantena. Mahatratra 25 ireo tsy tonga niatrika izany ho an’ny tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Ao anatin’ny fanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena ny mpanala fanadinana bakalorea amin’izao fotoana izao. 8 900 eo ho eo ireo mpianatra miatrika izany ho an’ny etsy […]

INDRAY MIJERY

Nanamarika ny 25 taona nampianarany ny sampana Science et ingénierie des matériaux (SIM) eo anivon’ny Sekoly ambony Polytechnique Antananarivo, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny fototra amin’ny famolavolana injeniera manana ny fahaizana manokana momba ny « matériaux » io sampam-piofanana io. « 18 000 Ar isan-taona ny hofan’ny tranon’ny mpianatra eny Vontovorona », hoy ny talen’ny […]

Infirmiera eto Madagasikara : Ankatoavin’ny iraisam-pirenena

Mandray anjara amin’ny zaikabe iraisam-pirenen’ny infirmiera any Helsinki, Fin­lande ny filohan’ny holafitry ny infirmiera eto Madaga­sikara (Conim), Andrianarison John na i John Love. Sehatra hahafahana mivelatra sy mitondra ambony ny lentan’ny infirmiera eto Madagasikara ity atrehina any an-toerana ity, hoy izy. Efa mpikambana feno ao amin’ ny filankevitra iraisam-pire­nen’ny mpitsabo […]

Sendika MEETFP : « Ilaina apetraka ny traikefa »

Tontosa ny herinandro teo ny kongresin’ny Sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (STMEETFP), Atsimo Atsinanana. Maromaro ny fitakian’izy ireo, araka ny tatitry ny sekretera jeneraly nasionaly, Rakotoarison Claude Marie. “Homena lanja ny traikefa sy fahaiza-manao tendrena eo anivon’ny minisitera. Olona mahalala sy manana vina mampandroso […]

Faritra Anosy sy Androy : Nofanina hiatrika haintany ireo tomponandraikitra

Atrehina ny fiavian’ny haintany any Atsimo. Mila miomana ny tomponandraikitra rehetra amin’ny fanalefahana ny fiantraikan’izany amin’ny mponina. Nanatanteraka fiofanana ho an’ny tomponandraiki-panjakana any amin’ny faritra Androy sy Anosy, ny herinandro teo, ny BNGRC, ho fiomanana amin’ ny fiatrehana ny loza sy ny haintany. Antony nanaovana izany ny ho fahalavorarian’ny fiatrehana […]