Hisitraka ny fanohanan’ny japoney ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Sekoly fanabeazana fototra miisa 13 000 no hahazo tombony amin’izany. Nohamafisana nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny solontenan’ny tetikasa Tafita Jica, Odawara Kosuke, omaly, ny fiaraha-miasan’i Japon sy i Madagasikara amin’ny sehatry ny fanabeazana. Mifototra amin’ny […]
Fiaraha-monina
Itaosy : Voasambotra ilay mpiambina
Tratran’ny zandary ny mpivady, mpiambina tanàna, namaky sady nangalatra ny entan’ny mpampiasa azy tao Ambohimamory Itaosy, omaly. Miara-miasa ao amin’ny tanàna iray izy mivady ireo ka mpiambina tanàna rangahy. Nanararaotra ny tsy naha tao ny tompon-trano izy mivady ka nalainy ny fitaovana toy ny fatana fampiasa amin’ny gaz. Nahita olona […]
INDRAY MIJERY
Manodidina ny 3 hatramin’ny 22°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 14 – 34°C ny tolakandro. Ny tsiokan’ny varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Hihamalefaka kosa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Misy ny fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra ho an’ny morontsiraka sasany. […]
Fampiasana kodiaran-droa : Ampitomboina ny fahamailoana eny an-dalana
Mitombo isan’andro ny mpampiasa kodiaran-droa eto an-dRenivohitra. Ambony ny ambana amin’ny loza ho an’ izy ireo, noho ny tsy fisian’ny fiarovana na tsy fahampian’ izany. Manafatrafatra ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ny amin’ny tokony hampitomboana ny fahamailoana. Ho an’ireo mpitondra kodiaran-droa, ilaina ny mianatra sy maka taratasy fahazoan-dalana […]
Herisetra an-tsekoly : Manampy ny ankizy ny fahatokisan-tena
Hiditra an-tsekoly ny mpianatra afaka iray volana. Misy ireo ankizy tsy te hiverina any intsony noho ny herisetra nahazo azy tany am-pianarana. Tsy voatery ho herisetra ara-batana fa mety ho ara-tsaina vokatry ny fitenitenenana azy, fandrabirabiana, fampitahorana, fanambaniana… Misy mpampianatra manao izany herisetra ankolaka izany, mety tsy am-piheverana na fanahy […]





