Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ireo CEG miisa 1 747 misitraka ny tetikasa “Eager” ho amin’ity taom-pianarana 2025-2026 ity. Miparitaka amin’ny Cisco 68, anatin’ny faritra 16, ireo sekoly voakasiky ny tetikasa dingana voalohany. Tanjona ny hisitrahin’ny faritra hafa izany tetikasa izany amin’ny taom-pianarana manaraka. Anisan’ny fanohanana lehibe entiny ny fanomezana vatsim-pianarana ho […]
Fiaraha-monina
« Gender Day » : Mampitovy fomba fijery ny fiarahamonim-pirenena aty Afrika
Notanterahina omaly, tetsy Ankorondrano, ny “Gender Day”, fihaonan’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiantsehatra amin’ireo firenena 16 anivon’ny Sadc. Ahitana ireo fiarahamonim-pirenena miantsehatra amin’ny fampiroboroboana ny vehivavy eo amin’ny sehatra samihafa izy ireo. Tanjon’ny «Gender Day» ny hampitovy ny fomba fijerin’ireo fiarahamonim-pirenena eo amin’ireo firenena 16. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny […]
INDRAY MIJERY
Nosokafana ny fiandohan’ny herinandro teo, tao amin’ny Kianja Ampasambazaha Fianarantsoa, ny fifaninanana fanatanjahantena an-tsekoly taona 2025. Ny tale jeneraly misahana ny pedagojia, eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, no nanokatra izany. Lohahevitry ny fifaninanana ny “Regnina Fianarana ny Soa”. Nahatonga solontena avokoa ireo faritra 23 izay mifaninana amin’ny taranja telo (baolina kitra, […]
Fanavotana aina : Nofanina ireo mpanentana ara-pahasalamana
Nomen’ny Croix Rouge fiofanana ireo mpanentana ara-pahasalamana tao Lokomby, Vatana, Nato, Beretra, Ambila ary Mitanty, any Atsinanana. Ireo toerana misy monina kanefa tena lavitra toeram-pitsaboana no nanaovana izany hetsika izany ho famonjena aina ireo mponina tra-doza. Lasa andry voalohany manoloana ny fiatrehana ny loza ireo mpanentana ara-pahasalamana nahazo fiofanana. Mahafehy […]
Leo Club Antsirabe : Nanome tolotra fahasalamana
Nisy ny fitiliana diabeta 250 isa sy fizahana maso tsy voafetra avy amin’ny Leo Club Antananarivo sy Antsirabe ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Mudia Antsirabe Piste Vatofotsy. Anisan’ny sahanasa hiantsorohan’ny Lions club ny diabeta, ny fahitana, ny homamiadan’ny ankizy, ny tontolo iainana ary ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Ny tanànan’Antsirabe […]





