Fiaraha-monina

Faritra Vakinankaratra : nojerena manokana ny marefo

Nifantoka tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny famangiana sy ny asa sosialy nataon’ny minisiteran’ny Mponina, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra tolo-tanana ho an’ny zokiolona, ny olona manana fahasembanana, fikambanam-behivavy, olona tena marefo ara-pivelomana, ary ny ankizy kamboty ny iraka notarihin’ny minisitra. Milina fanjairana no natolotra ho an’ny Centre de promotion socio-économique […]

Fetin’ny Paka : ahina ny fiforonana rivodoza

Mampanahy ny mety ho fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny faramparan’ny herinandro, hankalazana ny fetin’ny Paka, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hiverin-dalana hizotra hianatsimo atsinanana ilay tangoron-drahona mitoetra ao an-dranomasina manomboka ny alarobia na ny alakamisy ka hiha tomombana kokoa ny tontolo hivoarany. Hitombo, araka izany, […]

Miakatra ny rano ao Taolagnaro : 400 mahery ireo traboina, amin’ny toeram-pandraisana telo

Nijojo tao anatin’ny teo andro ny orana tany Taolagnaro ka nampiakatra ny rano tao an-tanàna. Voatery nafindra toerana ny mponina sasany ary efa nandray andraikitra ireo solontenam-panjakana any an-toerana. “Vokatry ny rotsakorana be tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro nandritra ny telo andro, niakatra ny rano ka maro ny tanàna dibo-drano”, hoy […]

Fiovan’ny toetr’andro: nampidirina anaty fandaharam-pianarana

Nampiditra ny fiovan’ny toetr’andro tao amin’ny fandaharam-pianarana ny fandahanarasa “PAGE 1”, ny taona 2016, ho an’ny kilasy T1-T9. Natomboka tamin’ny sekoly 250 ny andrana manerana ny Nosy ary nojerena ny zavatra ilain’ny mpampianatra hampitana ny lesona sy hanamorana ny asany. Nojerena manokana ny fomba fiasa momba ny fandrosoana lovain-jafy ary […]

“Ora iray ho an’ny tany”: entanina amin’ny kilalao ny tanora

Rahampitso no hifarana ny hetsika “Ora iray ho an’ny tany” karakarain’ny WWF, Namako ny Tany, skoto ary Green N Kool. Manohana ny sahanasa hifampizarana, mandritra izany, ny Unicef. Tanjona ny hanohanana ny tanora misehatra amin’ny fanentanana hiarovana ny zavaboahary. Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny tanora satria 1 801 amin’ny tanora 9 […]