Marolafy ny fotodrafitrasa notokanana tao amin’ny kaominina Ivato, omaly, notarihin’ny ben’ny Tanàna, Randrianarisoa Penjy. Vita ireo lalana any anelakela-trano izay tena nampijaly ny vahoaka. Navadika ho beton ireo tetezan-kazo fiampitana ary nipaka hatreny an-tanimbary ny fanamboarana hialana amin’ny fianjeran’ireo mpianatra mamonjy sekoly eny amin’ireo fokontany voakasik’izany. Tetsy andaniny, nohavaozina ihany […]
Fiaraha-monina
Very na nitsoaka: Zaza miisa 84 nokarohina tao anatin’ny roa volana
Maromaro ny zaza very na nitsoaka ny tokantranon’ny ray aman-dreniny nanomboka ny faran’ny taona ka hatramin’ny faran’ny volana febroary. Matetika noho ny disadisa misy ao anatin’ny ankohonana no antony. Nanomboka ny 28 desambra 2023 ka hatramin’ny 29 febroary lasa teo, 84 ny isan’ny zaza tsy hita ka nahazoana filazana teny […]
Toamasina : nidina an-dalambe ny vahoaka
Tsy tana intsony ! Raikitra ny savorovoro tao an-drenivohitr’i Toamasina, halina. Andaniny, nidina an-dalambe ny vahoaka noho ny fahatapahan-jiro lavareny any an-toerana. Nandoro kodiarana, nanapaka arabe izy ireo. Ankilany, niezaka nifehy ny hetsiky ny mponina ny mpitandro filaminana. Niafara tamin’ny fanaparitahana tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso izany. Ireo vahoaka kosa namaly tamin’ny […]
Itasy sy Analanjirofo : hotokanana ny oniversite manara-penitra
Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fahavitan’ny oniversitem-paritra ao Itasy sy Analanjirofo. Hisantarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanafarana ireo mpampianatra avy any ivelany ireo oniversite roa vaovao hisokatra ireo, raha ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ahitana sampam-pianarana vaovao hosokafana hahafahan’ny tanora mandranto fianarana momba ny fizahantany, ny siansa […]
Fahasalaman’ny saina : miady amin’ny fanilikilihana ny Hifali
Miasa eto Antananarivo sy any Mahajanga ny tetikasa Hifali (Hetsika iombonana ho an’ny fahasalaman’ny saina sy ny lamina ifotony) andiany faharoa, miaraka amin’ny Humanité & Inclusion misehatra. Tetikasa iray miady amin’ny fanilikilihana sy ny fanohanana ara-tsaina sy ara-batana ireo olona tratran’ ny androbe sy ny fianakaviany, miaraka amin’ireo olona manana […]