Fiaraha-monina

MFA : Nanome toromarika ireo miaramila ao Mahajanga

Nanatanteraka fitsidihana ny toby kolonely Rasolonjatovo Claude Armand, ao Androva Mahajanga, ny sabotsy teo, ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ireo manamboninahitra mpiara-miasa aminy. Nisy, araka izany, ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpianatra ho manamboninahitra mpitsabo sy mpitsabo nify tao Mahajanga ka nanomezany toromarika ho […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny ezaka ho fisorohana ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’Ikongo izay ataon’ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny fitetezana ireo fokontany ho fametrahana ireo rafitra eny ifotony hisorohana ny areti-mifindra sy ny tazomoka ary ny tsy fanjarian-tsakafo. Fotoan’ny didim-poitra sy famadihan-drazana izao. Maro ireo manao fety mampiasa zava-maneno mafy any […]

Akamasoa : Ankatoavina ny fiofanana arakasa ho an’ny tanora

Nandritra ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa teny amin’ny Akamasoa no nanomezany fahazoan-dalana hanokatra ivontoeram-panofanana sy ny fankatoavana ara-dalàna ny sampam-piofanana maro ao an-toerana. Anisan’izany ny fanofa­nana momba ny taotrano, taovy, herinaratra, fametra­hana ireo kojakoja amin’ny toeram-pidiovana sy ny lalandrano amina tokantrano, rafitra isan-karazany. Tsy […]

Vaksiny anti-HPV : Entanina ny ankizy 9 hatramin’ny 14 taona

Misy ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza hotanterahina eny amin’ny CSB rehetra manerana ny Nosy, ny 14 ka hatramin’ny 18 oktobra izao. Voakasiky ny fanentanana ireo ankizivavy manomboka 9 taona hatramin’ny 14 taona aloha ny fidirana amin’ny fiainana ara-nofo. Aretina mifindra amin’ny firaisana ara-nofo ny homamia­dan’ny vozon’ny tranon-jaza. […]

Fampianarana : Braille iraisam-pirenena ampiasaina eto Madagasikara

Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny braille ampiasaina eto Madagasikara manomboka izao. Tombony maro ary fisokafana ho an’ireo olona manana olana ara-pahitana izany. Manomboka izao, ny fa­mantarana braille fampiasa aty amin’ny tany miteny frantsay na maneran-tany no ampiasaina eto Mada­gasikara. Nisongadina izany nandritra ny fampiofanana ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly manokana […]