Efa mizotra ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ ny taranja Malagasy amin’ny BEPC raha vantany vao tontosa izany ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsara ny vokatra satria nahazo “moyenne” ny ankamaroan’ny mpiadina ankoatra ireo tsy nahita hosoratana mihitsy, hoy ny mpampianatra mitsara izany. Tao anatin’ny boky izay tafiditra amin’ny fandaharam-pianaran’ny kilasy […]
Fiaraha-monina
«Olympiades des métiers 2025» : 63 ireo mpandray anjara nifaninana
Tontosa teny anivon’ny renivohi-paritany enina manerana an’i Madagasikara, ny volana jona lasa teo, ny fifaninanana “Olympiades des métiers 2025 (WorldSkills Madagascar). Notanterahina teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ao anatin’ny Direction de l’apprentissage et de la formation initiale. Nanohana ny izany ny Unesco amin’ny alalan’ny tetikasa […]
Fiaraha-miasa sinoa-malagasy : Vita ny sonia momba ny vary manara-penitra
Tetikasa mikendry ny hanavao ny fambolena, ny hametraka an’i Madagasikara ho maodely amin’ny fiaraha-miasa sinoa-afrikanina. Hisy ny laboratoara manana fahaiza-mamakafaka ny kalitaon’ny voa sy ny fitiliana mialoha ny aretina sy ny bibikely hatsangana. Nanatanteraka fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa (MOU) hoenti-manangana laboratoara mamakafaka vary manara-penitra ny Fiaraha-miasa stratejika eo amin’i Madagasikara sy i […]
INDRAY MIJERY
Lanonana santa-bary ao Amparafaravola. Nandray anjara feno sy naneho fahavononana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Ho fanohanana ireo tetikasa ifotony ary koa hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra maro samihafa amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka izany. « Iray volan’ny oniversite amin’ny fifanakalozan-kevitra», andiany voalohany. Hetsika […]
FSM : Manana rafitra manokana ny moske
Miaina ao anatin’ny tahotra sy fitaintainana tanteraka ny mpino silamo eo anivon’ny moske 67 Ha Atsimo amin’izao fotoana, raha ny filazan’izy ireo. « Misy taratasy sy feo mandeha any milaza ny hanovana ny rafitra misy eo anivon’io moske io», hoy ireo tomponandraikitra mitantana eny an-toerana, eo anivon’ny Fikambanan’ny silamo malagasy […]




