Hampitombo ny tahan’ny tanora misitraka asa sahaza ny fampiofanana faobe arahina fandraisana mpiasa mivantana amin’ny asan’ny web. Tanora miisa 200 tamin’ireo 800 namaly ny antso nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa no nanaraka fiofanana amin’ny Asan’ ny web, andiany voalohany, ao Toamasina. Tsy maintsy nandalo sivana izy ireo […]
Fiaraha-monina
Andron’ny vehivavy : efa vonona amin’ny fandraisana i Toamasina
Hankalazaina ny 8 marsa ho avy izao, any Toamasina, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy raha ny eto Madagasikara. Efa vonona tanteraka ny any an-toerana, amin’izao fotoana izao, handray sy hampiantrano izany. “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso” ny lohahevitry ny hetsika. Mandritra ny herinandro ny lamim-pankalazana izany. Efa […]
PhaGDis : nankasitrahana ireo mpamatsy fanafody
78 ireo mpamatsy fanafody ambongadiny eny anivon’ny distrika na PhaGDis nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID tamin’ny alalan’ny tetikasa “Impact”. Ireo ekipan’ny PhaGDis ireo no manome toky ny fisitrahana fitaovana ara-pahasalamana sy fanafody manavotra ain’olona eny ifotony. Mamatsy ireo farmasia madinika eny anivon’ny kaominina izy ireo. Miantoka ny […]
Efa nivoaka any an-dranomasina : mbola hitondra rotsakorana betsaka ilay andro ratsy
Mbola hitohy ny rotsakorana na efa nivoaka an-dranomasina aza ilay andro ratsy. Ho an’ny afovoantany, hanjombona ny andro ary mety hisy orana malefaka indraindray. Nivoaka an-dranomasina teo amin’ny manodidina ny distrikan’i Ambanja, omaly, ny ivon’ ilay faritra andro ratsy. Manohy ny diany miakandrefana somary atsimo andrefana izy. Araka ny vinavina, […]
Ankatoky ny 8 marsa : mila hasongadina ny zava-bitan’ny vehivavy
Ankatoky ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy isika izao. Manamarika ny iray volan’ireo vehivavy izay nandrafitra ny tantara ihany koa i Etazonia. Fotoana handinihina ny anjara biriky entin’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ny firenena rahateo izao. Maneho fahavononana i Etazonia hanohana ny vehivavy amin’ ny sehatry ny fihariana, ny politika sy ny […]