Fiaraha-monina

Olan’ny famatsiana jiro sy rano : Nanao hetsika fitakiana ny mpianatra eny Ankatso II

Mafanafana indray ny toe-draharaha eny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra ao anatin’ny onivesiten’Antana­na­rivo, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka ny zoma lasa teo no nanao hetsika ny mpi­anatra eny Ankatso II, izay vokatry ny fahatapahan’ny jiro sy ny famatsiana rano lava­reny ka manelingelina ny fizotry ny fiainan’izy ireo amin’ny andavanandro. Miankina be­tsaka […]

Antsirabe : Nisy ny asa tanamaro nanadiovana ny Tsena Sabotsy

Ny fanadiovana ny tsena no asa voalohany nataon’ny rehetra hirosoana amin’ny fanarenana vokatry ny afo. Niray hina ny rehetra nahitana ny sokajin’olona samihafa noho ny fitiavana ny tanànan’Antsirabe. Nifanome tanana tamin’ ny asa tanamaro fa­nadiovana ny Tsena Sabotsy taoriana ny faha­maizana nitranga ny mpi­asam-panjakana, sehatra tsy miankina, fikambanana samihafa, olon-tsotra […]

INDRAY MIJERY

Nanamafy ny fisafoana ny trano fonenana sy ny fanatsarana ny fitaovana fiarovana eny amin’ny faritry ny Oniversite Ankatso ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nanentana ihany koa ny mpianatra sy ny tomponandraikitra amin’ny fahasahiana mitoroka ireo olon-dratsy ho fitandroana ny filaminana izy ireo. Maro ireo fampirantiana natao nadritra […]

Foarabe Fampivoarana: Hampisehoana ny fahaiza-manaon’ny varotra

Manomana ny andiany faharoa amin’ny Foarabe fampivoarana ny fiangonana ad­van­tista eto Antananarivo afovoany, ny 30 jolay hatramin’ny 3 aogositra izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fampivoarana ny fari-piainan’ny samy kristianina manana asa aman-draharaha amin’ny sehatra samihafa no tanjon’ny hetsika, hoy ny filohan’ny fiangonana advantista eto An­tananarivo, pasitora Andriam­paratiana Fanera, omaly, […]