Fiaraha-monina

Fiforonana andro ratsy: Tombanana hipaka ao Sava rahampitso

Manomboka mitoetra ny « anticyclone » ao atsimon’i Ma­da­gasikara. Hita taratra amin’ny tapany avaratry ny Nosy ihany koa ny ampahan’ilay Zone de convergence intertropicale (ZCIT). Mifandray amin’izay ZCIT izay dia misy faritra andro ratsy any amin’ny manodidina ny 1 500 km atsina­nan’Antsiranana, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Araka […]

Ankatoky ny fanadinana: Sahirana ireo mpianatra amin’ny kaominina tsy misy dokoteram-panjakana

Misedra fahasahiranana ireo sekoly amin’ireo kaominina tsy manana dokoteram-panjakana eny anivon’ny CSBII. Tsy afaka manao fizaham-pahasalamana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny distri­kan’Ambohidratrimo no nanaovan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ny tatitra isan-karazany. Tamin’izany no na­hafantarana fa tsy manana dokotera ny CSBII ao amin’ny kaominina Ampangabe efa ho […]

Ambohijanaka: Zana-kazo 1 500 novolen’ny Amerikanina

Namboly hazo teny Ambo­hijanaka ny ekipan’ny masoivoho amerikanina, tamin’ity he­rinandro ity. Zana-kazo zanatany miisa 1 500 no nambolena, fanampin’ireo hazo 2 000 efa nambolena tao anatin’ny roa taona lasa. “Mamafy ny voan’ny fiovana sady mametraka lova tsara ho an’ny taranaka isika amin’ny hetsika tsotra toy izao fambolen-kazo izao. Sady manamaivana ny fiantraikan’ny […]

Caravane « Sarobidy ny aiko »: Fiarabe 13 hitondra tolotra fahasalamana ho an’ny distrika efatra

13 ny fiarabe nanainga omaly, misy fitaovam-pitsaboana, fitarafana any fanafody marobe miaraka amin’ny mpitsabo sy spécialiste samihafa, hanome tolotra fahasalamana manana kalitao ho an’ny vahoaka amin’ny faritra telo. Andiany voalohany ny “caravane médicale Sarobidy ny aiko” ho an’ity taona ity ary hetsika manokana fanao isaky ny 8 marsa hanamarihina ny […]

fikambanana Fitia sy ny UNFPA : miara-miasa amin’ny ady amin’ny herisetra

Nitsidika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ ny fikambanana Fitia ary tompondaka amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (VBG), Rajoelina Mialy, ny solonte­nan’ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mpo­nina (UNFPA), Josiane Yagui­bou, tamin’ity herinandro ity. Nidinika ny fiaraha-miasa ho an’ny taona vaovao sy ny he­tsika […]